Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 27 avril 2024
Antananarivo | 00h27
 

Répondre à un commentaire

14 octobre 2020 à 12:51 | Isandra (#7070)

Zafy Albert sy ny politika.

Ny antony nahalany ho mpitarika ny Hery velona Rasalama an’i Zafy Albert, ary nahatonga azy narotsa-drizareo ho filoha, dia satria noho izy côtier, fa tsy hoe noho izy nanana politika fampandrosoana na hoe noho izy mpanao politika mahay sy tsara indrindra tamin’izany. Noheverina mantsy tamin’izany, fa tsy maintsy côtier tahaka an-dRatsiraka vao haharesy azy amin’ny fifidianana. Nilefitra daholo ireo nanana tanjona, ireo kinga sy nahay nitarika tamin’izany izay mpikambana tao amin’ny Hery velona. Marihina fa ny MFM ny Manandafy ihany no niala tao, ka namorina ny Hery Velona ny Madagasikara.

Avy eo moa nanao an’ilay fihaonambem-pirenena, raha tena izy, dia tokony ny fehinkevitra nivoaka tao no nampiharina izay mpitondra lany teo, indrindra ny avy ao amin’ny HVR izay ivondronan’ny antoko politika maro, fa tsy ny UNDD ihany na ny mpomban’ny Zafy akaiky ihany. Tsy nanana programme natolotra rahateo i Zafy raha nilatsaka ankoatr’ireo fehinkevitra lany tao amin’io Forum io.

Ny fehinkevitra lany tao moa dia nametraka repoblika manana régime parlementaire izay manakely ny fahefana nanan’ny filoham-pirenena. Noho izany i Zafy dia tsy dia nanana fahefana misongandina loatra tamin’izy nitondra teo, fa ny PM no tena tompon’ny fahefana manapa-kevitra amin’ny politikam-papandrosoana sy ny fitondrana ny firenena ato anatiny. Tao aorian’ny référendum izay nataony ihany, izay tena niteraka ny fisaharahany tamin’ireo mpiara mitolona sasany tao amin’ny HVR, tahakan’i Andriamanjato, satria tsy nisy fifampierana ihany koa.

Marihina moa, fa i Ralison Roger no lany tao amin’ny HVR fa hatolotra PM, saingy i F. Ravony no lanin’ny Assemblée, kanefa dia 75/134 dia HVR daholo. Nahalany an’itsy farany dia noho ireo
députés UNDD nifidy azy. Ny olana teo amin’ny Ravony sy Zafy no anisan’ny fositra nitondra ny empêchement. Kanefa mety tsy nitranga izany raha i Ralisona Roger no lany teo.

Tsy horesahintsika eto ireo affaires nisy tamin’izany, toy ny financement parallèle sy ny Flamaco, sns, sy ireo izay fanamparam-pahefana nataon’ireo manodidina azy atamin’izany.

Raha fintinina izany tsy nanana fotoana loatra i Zafy nanehoana ny tena politikany hampandrosoana an’i Madagasikara, izy rahateo tsy nanana programme fa ny forum national hoy izy no programme-ny.

PS : Marihina fa ny côtier dia efa nandao an’izany resaka fifidianana olona nohon’ny fiaviany izany, ry zareo ao Antananarivo ao no somary nihemotra kely. Tamin’ny andron-dRatsiraka nisy côtier lany députés, fa ankehitriny toa sarotsarotra ihany izany.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS