Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 27 avril 2024
Antananarivo | 06h49
 

Répondre à un commentaire

14 octobre 2020 à 13:49 | Vohitra (#7654)

« Demain, vous serez à nouveau un Etat, comme vous l’étiez lorsque ce Palais était habité »…kabary nataon’i Jeneraly Charles de Gaulle teo Imahamasina ny 22 aogositra 1958…

Io no lahateny mifono poizina sy fitaka nentina nampisavorovoro ny Malagasy tamin’ny vanimpotoana nialoha ny fanomezana, tsindriko mafy, fanomezana fa TSY FAMERENANA velively fahaleovantena akory…

Tsy mitovy velively akory ny « Royaume (fahefan’andriamanjaka) » sy ny « Etat (fanjakana misy lalampanorenana) », i De Gaulle nefa eto « Etat « no resahiny mba hikolokoloana ny ahiahy sy tebiteby eo anaty fiarahamonina sy ny politika…

Alohan’ny nisian’ny fanjanahantany anie ka tsy nisy « Etat » teto amin’ny Faritra rehetra teto amin’ny Nosy e, fitondran’Andriamanjaka nankatoavin’ny fiarahamonina no nisy, ary tsy ny teto Imerina irery akory no nisy izany, nisy ary nanana ny azy sy to teny ny Faritra maro, toy ny teo amin’ny Foko Antemoro, Antakarana, Sakalava, Betsimisaraka, Antanosy, Antanala Zafirambo, Bara…ary tsy nisy nanana endrika « fanjakana Etat » ireo rehetra ireo na iray aza fony andro…koa raha niteny izany i De Gaulle dia mazava fa mifono tetika ambadika io lahateniny io…ary mbola mitohy any amin’ny fotopisainan’i Joseph Gallieni ihany…

Ny lalàna lasitra mitondra ny laharana 56-619 tamin’ny 23 jona 1956 nampiarahana tamin’ny didy 2349-Ap/4 ny 15 novambra 1956, ka navoaka ho lalàna manankery (56-1117) teto Madagasikara tany voazanaka tamin’ny 10 novambra 1956, no nametraka ny Filankevimparitany (Faritany nofaritan’ny mpanjanaka) sy ny Antenimiera mpanao lalàna vonjimaika, ary ireo no rafitra nolazain’ny fahefana mpanjanatany fa hametraka miandalana ny rafitra hizorana ho any amin’ny fizakantena, tsy zakan’ny Firenena frantsay irery intsony ny hiantsoroka samirery ny fahefana politika sy ny fitantanana ny toekarena tany amin’irei zanatany nofeheziny.

Ny 28 septambra 1958 moa dia nisy ny fitsapankevibahoaka mikasika ny fizakantena nomanina ho an’ny Malagasy, ary taorian’izany dia nandresy ny « ENY », izany hoe hiroso amin’ny fizakantena ao anatin’ny Fianakaviambe Frantsay, tamin’ny salanisa 77,6 % (1.363.059 mpifidy) fa i Antananarivo kosa dia nanao « TSIA » tamin’ny salanisa 50,5 % (392.557) ary ny 61,2 % tamin’izany nanao « TSIA « izany dia ny teto Antananarivo Renivohitra, ny dikan’ny hoe TSIA moa dia ny hoe ny fahaleovantena avy hatrany no ilaina fa tsy hijanona ao anatin’izany Fianakaviambe Frantsay izany akory…ary isany lohalaharana tamin’izany fampandaniana ny TSIA izany i Andriamanjato Richard sy i Monja Jaona.

Ilay lahateny mifono poizina nataon’i De Gaulle ny 22 aogositra 1958 no isany antony nanaovan’ireo faritany hafa ny « ENY » hiarahana ao amin’io Fianakaviambe Frantsay io, satria ny hevitra ambadika napetrak’ilay lahateny namoadoza dia hoe » haverina amin’ny andriamanjaka Merina nipetraka sy nonina fahizay tao amin’io lapa io ny fitantanana ny Firenena mizaka tena…ka aleon’izy ireo mijanona ihany ao anaty Fianakaviambe Frantsay…ary nisy mihintsy aza ny Malagasy sasany nilaza fa tokony hatao deparitemanta Frantsay i Madagasikara (isan’izany i Norbert Zafimahova)…

Ny 14 okotobra 1958 ary no nambara tamin’ny alalan’i Norbert Zafimahova izay nitarina ny Antenimiera mpanao lalàna vonjimaika fa mitsangana ny fanjakana repobilikanina eto Madagasikara, ary fanjakana izay mbola tsy mizaka fahaleovantena akory no sady tsy mbola manana lalampanorenana akory…

Ny 29 avrily 1959 vao nisy izany lalampanorenana ho an’ny Repobilika voalohany izany, ary ny 1er mai 1959 vao lany ho filohan’ny repobilika voalohany i Tsiranana Philbert teo anivon’io Antenimiera vonjimaika io…ary ny 14 mai 1959 vao amperinasa ny goverinemanta vaovao tao anatin’io Repobilika io…

Fehiny : raha fahaleovantena no resaka, ary raha fiandrianampirenena no asianteny, dia tsy tokony mbola nasiana fankalazana io daty 14 Oktobra 1958 io…

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS