Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 26 avril 2024
Antananarivo | 08h18
 

Répondre à un commentaire

30 juin 2020 à 11:35 | Vohitra (#7654)

Miarahaba Tompoko,

Mitombo ihany ity ny fahavoazana vokatry ny fihanahan’ny valanaretina, mankahery hatrany ireo fianakaviana mana-manjo misedra izao fisarahana ara-nofo hizorana ho any amin’ny mandrakizay izao.

Aleo hotsorina avy hatrany tsy asiana fiolahana fa ny fahantrana sy ny tsy fandraisana andraikikitra no fototr’izao fahavoazana tsy roa amantany izao.

Lavo sy rendrika ao anaty fahantrana miavosa ka ny fihezahana hanavotra aina no nitondra ho any amin’ny fahafatesana, fadiranovana amin’ny fitadiavana izay hahazoana sakafo mba ho isan’ny velona sy hiary vola kely hitsinjovana ny filana fototra maha olombelona…dia nifanena tamin’ny aretina mihanaka ka nivesatra tsy fidiny ny mangidy farany nahafoy andro…

Fa isany iray fototry ny fahafatesana dia ny tsy fandraisana andraikitra…fa nahoana ?

Variana maka tahaka izay fanapahankevitra sy dingana diavin’ireo Firenena hafa any ampita dia lasa misavika randrana tsy mendrika ka lasa sorona ny vahoaka…

Ny tany ampita, nandritry ny roa volana dia nitsinjo ny aina sy ny fahasalamambahoaka ary ny hasina maha olombelona, no natao vaindohan-draharaha ka nampiasaina ny vola sy fitaovana ary fahefam-panjakana nandraisana fanapahankevitra mitondra any amin’ny vokantsoa miantraika amin’ny fiainan’ny vahoaka, ary avy eo vao nizotra tany amin’ny fivoahana amin’ny fihibohana…

Ianao maka tahaka azy ireo anjambany, nefa ianao nandritry ny fihobohana tsy nanao izay ezaka nitsinjovana ny fiainam-bahoaka ka nitondra ny anjara biriky feno hanavotana ny aimbahoaka sy hanalefahana ny fahantrana niainan’ny vahoaka, dia io ianao fa niroso sahady amin’ny fivoahana ny fihobohana nanarakefa sy naka tahaka ny tany ampita, fantaro nefa fa noho ny TSY fanatontosanao izany andraikitrao sy adidinao izany no nahatonga ny maro tsy nankato sy tsy nanaja ny fepetra fihobohana, dia izao no vokany : io mitohy mihanaka io ny aretina…

Hamerina hilaza indray ianao fa hoe efa nisy anie ny « vatsy tsinjo », ny « tosika fameno », ny « tsena mora », dia hoy aho aminao hoe : tsy ny rehetra sy ny tokony hahazo izany no nisitraka izany, fa olombitsy vitsy dia vitsy, ary nisy halatra sy kolikoly tao anatin’izany, ary fahadisoana be goavana ny tsy nanankinana mivantana ny fanampiana ho andraikitra sy adidin’ny Fokontany sy ny Fokonolona, dia lasa nivadika ho tombontsoa manokana ho an’ilay komity natsanganao izay tsy hita sy tsy fantatra akory tamin’ny toerana maro…vao nanomboka io fizarana io dia efa niteny izahay teto hoe tsy hanjary sy tsy ho vanonoa io raha mbola ny FID no hanankinana ny fitiliana ny mpisitraka tombontsoa sy ny fanatanterahana ny fizarana ireo fanampiana ireo…dia ireny niaraha-nahita ireny no vokany.

Mazava eto fa ny fahadisoan’ny fanapahankevitra noraisinao no tsy nisian’ny fahombiazana teo amin’ny fanampiana tokony hositrahan’ny vahoaka, tsy nahazo tosika sy vatsy izy, dia voatery nanavotra aina, dia avy eo ny vahoaka indray no omenao tsiny amin’ny hadisoana sy fitavozavozana teo aminao, tsy manao afatsy mitady izay hotondroina ho tompomarika hafa foana no manahirana anao, ny tsy fahaizanao misahana ny andraikitrao no fototry ny olana tsy nahatontosa ny fanajana feno ny fihobohana, dia ny vahoaka ihany no tondroinao ho tsy mpankato sy tsy mitandrina, fa ianao dia tsy manaiky mihintsy ary minia miala andraikitra amin’ny fitaka sy lainga foana…

Mbola averina foana, ny fahasalamambahoaka sy ny ainy no laharampahamehana ankehitriny fa tsy ny fanarenana ny toekarena akory, mbola tsy fotoan’izany aloha izao, io toekarena io dia efa talohan’ny nidiran’ny valanaretina Covid-19 teto no efa mitsipozipozy sy marefo ary mirefarefa, koa noho izay antony izay no nanomezan’ny vahiny ireo vola fanampiana hitsinjovana ny aimbahoaka…

Valio mazava ary ny resaka fa aza mihodinkodina intsony e : aiza ny vola fanampiana ? ohatrinona no efa nampiasaina ? nampiasaina tamin’inona ? iza no nitantana sy nampiasa azy ? taiza avy no efa nampiasaina azy ? ohatrinona ny ambin’ny vola mbola misy ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS