Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 26 avril 2024
Antananarivo | 20h02
 

Répondre à un commentaire

25 juin 2020 à 12:15 | Vohitra (#7654)

Mila mailo sy manadihady tsara ry namana isany fa…mandady ny trambo hoy ny fitenenana, ary mbola averiko ihany fa mizotra ho any amin’ny ady farany isika io…ilay ady farany mitondra NA ho lasan’ny vahiny tanteraka ny Firenena sy ny toekareny NA hiverina tanteraka amin’ny vahoaka…

Andro vitsivitsy izay dia nahatsikaritra aho fa hitako manomboka eo akaikin’ilay calife matetika ny olona iray isany niray tsikombakomba namitaka an’i profesora Zafy teo amin’ny lafiny toekarena, ary nampiditra angano tamin’ny resaka FLAMCO niarahana tamin’ilay printsy iray avy ao Eoropa, izay tena nampididoza tokoa ho an’ny bankimpanjakana BTM tato afara…

Misy olona izany amin’izao fiainana izao, vahiny sy afrikanina, milaza manapahaizana amin’ny fifanakalozana iraisampirenena, amin’ny fikirakirana vola amin’ny tsenambola iraisampirenena, nefa rehefa dinihina sy zohiana ary fotorina akaiky ny tena ataon’izy ireny, dia misehatra amin’ny famotsiambola sy fanodinambola hahazoana tombontsoa amin’ny fanambakana sy famitahana ny tany mahantra, ary ny fampidirana trosa miavosa ny tany marefo sy mahantra…

Sokafy ny maso, dia mandinika tsara, dia mihaino…mbola hipoitra ihany ny marina na ho ela na ho haingana…

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS