Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 26 avril 2024
Antananarivo | 21h07
 

Répondre à un commentaire

24 mai 2020 à 21:23 | Tsisdinika (#3548)

Resaka « obscurantisme » sy fomban-drazana isan-karazany lazaina fa tsy idiran-dRajoelina. Tena tsy manandro tokoa ve Rajoelina ? Ndeha hiverenana ny tantara 2 taona lasa.

Raha nanomboka ny fampielezan-kevitra fihodinana faharoa ny 4 Desambra 2018 izy dia nifidy, na natoro hifidy, an’i Mandridrano. Voalaza tokoa mantsy fa izay mandresy ao Mandridrano, izany hoe @ iny faritra Ampefy misy ny doanin’ Andriambahoakafovoanitany ao @ Rovan’ Amboniazy ao Manazary, ivon’i Madagasikara, no lany filoha. Amin’ny maha « kristianina » moa dia mody môpera no nampanovina lamesa fitsofandrano teny ankalamanjana teo @ îlot de la vierge. Ity lahatsoratra ity moa dia manamafy fa ivon’i Madagasikara hono ny îlot de la vierge (https://www.lactualite.mg/madagascar/politique/10196-andry-rajoelina-un-debut-de-campagne-marathon/)

Tsaroana koa ny fanaovana velirano mikapoka rano anaty lovia. Izao teny sy fomba izao hono no fanao rehefa manao velirano : « E Andriamanitra E Andriananahary, E ny hasin’ny tany, ny hasin’ny lanitra, E ny hasin’ny Masoandro sy ny volana, E ny hasin’ny roambinifolo Manjaka, ka ny hasiny tendrombohitra roambinifolo, ny hasin’ Ikelimalaza, Ifantaka, Imanjakatsiroa, ny hasin’izao zavatra masina ambony tany ambany lanitra izao. Izay mamadika izao teny izao, Fofosa rita, aza manam-para handimby ». Dia velezina ambiaty ny rano, dia poahana basy iray vava asiana bala eo amin’ny rano velezina ka atao hoe, izany mamadika izay teny izay, matesambasy tokana."

Matoa sahy mangata-pitahiana any Mandridrano sy manao velirano mikapoka rano dia mino ny hasina sns ka dia efa nizaha sikidy ve aloha vao nanaotao ity kianja masoandro ity sa matokitoky fa hiaro anao Andriamanitra nefa tsy naleonao tamin’izany hoe tsy tian’ Andriamanitra mantsy ilay misabaka fomba ohatr’izay ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS