Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 27 avril 2024
Antananarivo | 01h23
 

Répondre à un commentaire

24 mai 2020 à 08:40 | Shalom (#2831)

Nitsikera ity sakaiza mpanoratra « Si pire encore » ity aho ka nilaza fa manoratra zavatra mifanipaka foana izy ity. Izany koa anefa dia ampiny amin’ny fitanisana zavatra tsy mari-pototra ka maha sanganehana be ihany ny mamaky azy indraindray. Notsoahiko ireto sorany roa ireto ary nasiako famakafakana :


22 mai à 19:33 | Lefona Again (#10319)
ianao :
1- ... Raha mihevitra ianareo hoe an’ny merina manokana io, dia mandiso ny hevitry Andrianampoinimerina, izay nahavita nampiray ny malagasy.
izaho :
Ny tsy fahaizanao ny Tantara : Tsy nahavita nampiray ny malagasy velively Andrianampoinimerina. Aza be dehaka milaza izay tsy fantatra tompoko fa sady manala baraka tena no manodikodina ny tantara ho diso

ianao :
3 - raha ivelan’ny trano vato io colisée io ary hanomezana vononahitra ireo mpanjaka nifandimdy, inona no maharatsy an’izany ?
Raha tena ilaina tokoa ny reconstitution sy ny conservation an’ny izay tao anatin’ny trano vato, dia aza afangaro izay eo ivelany.
izaho :
Ny tsy fahaizanao ny Tantara : Ny anatin’ny Lapa sy ny ivelany rehetra dia fehezin’ny fomba amam-panao voarafitra sy mirindra. Izay no maha Rova azy. Tsy azo sarahina mihitsy ireo ; tsy mahay ny tantara sy ny momba izany ianao matoa sahy manasarak’ireo

ianao :
4 - maninona i Iavoloha no nangala-tahaka ny bikan’ny lapan’ny mpanjaka, tamin’ny andron’ ny RDM ( Ratsiraka Didier Manjaka).
izaho :
Ny tsy fahaizanao ny Tantara : Ny mpanjaka taloha raha nanorina Rova (Lapa sy ny manodidin’azy rehetra) dia nanao izany teny amin’ny toerana avo. I jamba kosa nanao ny azy teny amin’ny toerana iva. Mba fantatrao hoe inona no antony nanaovany azy teny ? Ary inona no antony namadihany ny anarana hoe Mavoloha ho Iavoloha ? Rehefa mba be tsikera milaza mahay ianao, mba mahaiza mijery fa tsy mihonona amin’ny resabe

ianao :
5 - iza no nandoro azy, inona ny antony ary inona no nataon’ny andriana merina tamin’izay ? Tratra ve ireo nahavita io heloka io. Mety tsy ampoizina hoe iza izy ireo.
izaho :
Ny fianakavianao mpidehadehaka io no anisan’ny nandoro azy ka mody ny hafa no heloina.
Maka tahaka ny fomba fanoratrao ery ambony aho, eritreritro no arosoko dia heveriko fa ho inoan’ny mpamaky


23 mai à 01:34 | Lefona Again (#10319)
ianao :
Dadany ihany zava-bitan’ny taranak’andriana teto : fanavakavahana sy fankahalana ireo izay tsy mitovy lahatra na firazanana aminy.
izaho :
Kanefa ianao io ihany no miteny hoe : Izany ve ny hoe Andriana ? Sa tsy fanavakavahana ny filazana izany ? Faobe ny resakao etsy ambony ary dia tsipahinao etsy ambany. Sao dia tsy mari-pototra ara-tsaina kosa ary ianao ity ?

ianao :
Mihavaka, manana fahaizana ambony ary tsy misehoseho, na mihebohebo, fa manoy ny fiainany toy ny olon-tsotra.
izaho :
Io ilay reska mifanipaka voalohany. Valiako ianao hoe : tsy Andriana izany ianao manoratra io satria olona mieboebo amin’ny maha « pilote » azy eto amin’ity serasera ity ary tsy misalasala mampiseo izany eto

ianao :
Misy mihintsy aza fianakaviana « ambony » firazanana, izay nandrara ny zanany sy ny taranany hanonona ny teny hoe « andriana », ka nitaiza azy ireo hanangona fahalalàna ary hanana toe-tsaina hafa, ka ampidera ny maha-malagasy azy amin’ny fahaizana ary ampandroso ny tanindrazana.
izaho :
Io ilay filazan-kevitra mifanipaka faharoa : hevitrao manokana ao an’eritreritrao tianao ho ataon’ny olona dia mody no arosonao satria heverinao fa hinoan’ny olona satria ianao no milaza azy

ianao :
Any USA kosa, ny ankamaron’ny afrikana-amerikana izay tafita, na inona inona ny anton-draharahany, dia tsy manadino ny miteny na mampahatsiahy ny maha taranak’andevo azy.
izaho :
Ny mainty taranak’andevo izany mahazo mampatsiahy izany fiaviany izany fa ny taranak’Andriana tsy mahazo ? Izay ilay fomba firesaka mifanipaka fahatelo

ianao :
Mahatsikaiky b hoy aho !
izaho :
Marina ny teninao, tena mahatsikaiky be tokoa ianao ity !

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS