Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 26 avril 2024
Antananarivo | 09h45
 

Répondre à un commentaire

23 mai 2020 à 11:58 | Vohitra (#7654)

Miarahaba Tompoko,

Sanganehana sy sakodiavatra tokoa ny tena raha nijery tamin’ny fahitalavitra ny fanazavana nentin’ny tomponandraikitra iray nilaza ny antony nanorenana ity « kianja hafahafa » ity.

Hoy izy : « noho ny ambopompirenena sy ny fanehoana fiandrianampirenena no nanaganana io « kianja » io.

Mamela ahy hitondra fanazavankevitra mikasika izany, ary miala tsiny dieny eto ampiandohana raha misy ny tafintohina amin’ny soratro, adidy ny miteny sy manambara hisorohana izay hitranga rahampitso.

Eto ankibon’imerina mo aizy ity no mitranga, ary indrindra eo amin’ny toerana mananjina sy saropady satria misy taolambalo ary toerana manankasina.

Teo amin’ny Malagasy, dia tsy mitranga ho azy ny fisehoan-javatra rehetra, fa misy ny fandaharana, ary fiteny moa ny hoe « alahatra isika fa tsy mpandahatra akory ». Alohan’ny trangan-javatra iray izay efa fantatra sy ampoizina, dia miteny ny Malagasy, indrindra ny Merina hoe « izay no lahatra », ary raha raha aorian’ny trangan-javatra dia miteny indray izy hoe « izay no anjara », izany no midika sy manamafy fa ny finoana dia mametraka hatrany fa misy mandahatra foana ny zava-drehetra. Io no Zanahary izay Andriananahary teo amin’ny Ntaolo.

Ny zavamisy dia izao : fa maninona tokoa no izay rehetra ataon’izy ireto, ireo tompon’ny fanapahankevitra, no tsy misy manjary sy tsy mandeha amin’ny rariny avokoa, tsy misy tonga lafatra sy mahafapo fa toa mahazo fanakianana sy mamory kihana hatrany ? Omeko valiny io avy eo fa hanohy ny fanazavana aloha ny tenako.

Nolazain’ilay tomponandraikitra omaly fa teo amin’io terana io i Razafindrahety (Ranavalona III) no nikasa hanangana ny « lapa Masoandro » saingy tsy tanteraka noho ny ady nifanandrinan’ny Fanjakana Merina sy ny Frantsay, ny fototra no vita araka ny nolazaiko omaly.

Teo amin’io toerana io no nanorenan’i Radama I ny lapa masoandro voalohany, noravan’i Ranavalona II io lapa io, ary nanorina lapa Masoandro vaovao indray izy, ravan’ny tafiodrivotra ilay naoriny, ary tonga indray i Ranavalona III nikasa hanorina teo, dia mbola tsy tanteraka ihany indray koa…tsy efa mampieritreritra sy tokony hanaovana fandinihina manokana ve izany tranga rehetra izany ? dia mbola avy indray koa ianareo hanorina faninefany eo amin’io toerana io ihany…

Fa maninona ary no tsy mety ho vanona sy ho tontosa izay atao eo amin’io faritra sy toerana iray io ?

Teo amin’ny Ntaolo, dia ny toerana sy rafitra rehetra dia mandeha amin’ny zoro sy lafiny mifandrindra amin’ny vintana daholo izay miaraka amin’ny lafivalo. Io toerana io dia ay amin’ny asorontany mitrotro alahasaty, izay toerana manoto ary mety hanimba ny raiamadreny ka tsy natao hanorenana ho an’ny velona mihintsy.
Any amin’ny lafiny atsimo io izay tsy azo hitodihan’ny lohan’ny velona izay mandry mihintsy, fa ny tongotry ny velona no tsy maintsy mitsipaka mianatsimo, ary toerana fametrahana ny faty ny fitodihana mankany…ary ny laona sy fanoto no mipetraka amin’io fitodihana io , izany hoe natao hanoto, ary ny akoho (natao hitsindroka hiondrika), ary izay hampidirina dia tsy maintsy mivoaka foana, izany no hanaovana ny anaran’ny olona fahiny izay teraka amin’ireo vintana ireo asiana foana ny hoe « Tsi » (tsimandresy, tsiamanoto, tsiatosika…).
Toerana miafina io toerana io, izany no tsy naneken’i Gallieni (torohevitra avy amin’i Rasanjy) ny hametrahana ny taolambalon’ireo nalaina avy eny Ambohimanga hipetraka amin’iny lafiny iny, ka namindran’izy ireo ny Fitomiandalana mba ho talaky maso fa tsy miafina…

Fehiny : tsy natao ho an’ny velona io lafiny sy toerana io fa manoto, mampididoza ary tsy tsara ho an’ny velona. Izay nanorina teo dia nisedra fijaliana avokoa, narary mafy alohan’ny nandehanany niamboho i Radama I sy Ranavalona II, fantatsika fa lasa sesitany i Ranavalona III ary tsy tafaverina teo raha tsy efa niamboho…

Fa hiverina amin’ilay fanontaniana napetrako aho hoe, maninona no tsy manjary sy tsy lavorary foana izay kasain’ireto olona ireto ? Angamba, angamba, angamba, efa nanota fady izy ireo, ho fanajana azy no nanaovako angamba, ny taona 2011 no nitrangan’izany teo voalohany, angamba efa misy milalao ny ambiroan’izy ireo, ary efa nisy nanindry ny alony, efa asesi-javatra sy voatosika hanoto ny Firenena izy ireo, ary efa mirona ho any amin’izay no lasa anjarany satria nisy nandingana ny vintany…
Raha tahiana ianareo ka hanaraka ny lazaiko, dia amin’ny alina maizina handravana io fa aza amin’ny mazava…

Mankasitraka Tompoko

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS