Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 26 avril 2024
Antananarivo | 17h46
 

Répondre à un commentaire

23 mai 2020 à 10:19 | Isandra (#7070)

Newsmada :
« Roa andro lasa izay, niparitaka ny sary avy eny Anatirova, mampiseho fotodrafitrasa vaovao… Niteraka adihevitra sy resabe izany, nahatonga fanehoan-kevitra samihafa. “Manimba ny vakoka, maka tahaka ny Colisée any Roma, tsy tokony hananganana izany ao amin’ny Rovan’Antananarivo, sns”, hoy ny fanehoan-kevitra tetsy sy teroa.
Nitondra fanazavana mahakasika izany kosa ny minisitry ny Kolontsaina sy ny serasera, Andriatongarivo Lalatiana, omaly, teny Anatirova. Hitondra ny anarana Kianja Masoandro ity fotodrafitrasa vaovao ity. Toerana hanaovana fampisehoana ara-tantara, hoentina mivoy indray ny fampahafantarana ny tantaran’i Madagasikara sy ireo mpanjaka nifandimby teto izany, fa tsy hanaovana fampisehoana ara-javakanto akory…. Tsy Colisée, araka izay iniana aparitaka izy ity fa kianja, ary nalaina tamin’ny Manjakamiadana ihany ny endrik’ireo tatao miendrika antsasa-bolana. Marihina koa fa tsy nangatahana fanoratana ho anisan’ny vakoka iraisam-pirenena ny Rovan’Antananarivo, fa ny tanàna ambony no nanaovana ny dingana, ny taona 2016, saingy tsy tafita fa misy sakana marobe. Efa tsy manaraka intsony ny fenitra maha vakoka, noho ireo fotodrafitrasa maoderina efa miorina eny.
Tsy natsangana fahatany fa rehefa nahazo ny fankatoavana avy amin’ny komity siantifika sy ny vondrona teknika, ahitana ireo mpikaroka sy mpahay tantara, mpitahiry vakoka, manam-pahaizana momba ny vakoka, sns, ny Kianja Masoandro. Nandalo teo anatrehan’io komity io ity tetikasan’ny Filoham-pirenena ity, ny 9 aogositra 2019, ary nivoaka tamin’izany ny anarana Kianja Masoandro.

“Tsy nanao na biriky iray teto aza ny Filoha, raha toa ka nitsipaka izany ny komity siantifika. Mino aho fa tsy adala akory ireo olona ireo, ary mahalala tsara ny momba ny vakoka avokoa”, hoy hatrany ny minisitra nanamafy.

Mariky ny fiandrianam-pirenena
Teo amin’ny toerana nisy ny fototry ny Lapa Masoandro, izay tsy vita hatramin’ny farany satria tonga ny mpanjanatany no nananganana ny Kianja Masoandro. “Fanirian’ny mpanjaka Ranavalona III ny hanangana ny Lapa Masoandro, saingy tsy tontosa izany ka lasa mariky ny faharesenaL. Nanapa-kevitra ny filoha fa tsy tokony hijanona eo amin’izay faharesena izay isika ka hasiana fotodrafitrasa hanamarika ny fiandrianam-pirenena sy ny fiverenan’ny Fahaleovantena eo. Manana dika lehibe no nananganana azy eo, ary ny fototry ny Lapa Masoandro dia tsy nesorina akory fa ao ambany ao ihany. Efa nisy ny tolo-kevitra avy tamin’ny firenena frantsay hamatsy 40 tapitrisa Euros amin’ny fanarenana ny Rovan’Antananarivo, saingy tsy nanaiky ny filoha. Mariky ny fiandrianam-pirenena io, ka volan’ny firenena madiodio no hananganana azy”, hoy hatrany ny minisitry ny kolontsaina sy ny serasera.
Mahakasika ny mety ho ahiahin’ireo mpitazana, nitondra fanazavana ihany koa ny tompon’andraikitra avy ao amin’ny orinasa Colas, izay mandray an-tanana ny fananganana. Tsy misy ahina na kely aza ny mety hoe fihotsahana, satria efa vita tsirika mialoha, manaraka ny fenitra takin’ny fananganana fotodrafitrasa maharitra izany.
Fantatra ihany koa fa efa andalam-pamaranana ny lapa Manjakamiadana, izay azo antoka fa vita mialoha ny 26 jona, hanamarihana ny faha-60 taona niverenan’ny Fahaleovantena. »

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS