Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 27 avril 2024
Antananarivo | 03h50
 

Répondre à un commentaire

23 mai 2020 à 09:38 | Shalom (#2831)

Hoy ny Antehiroka maro hoe : nisy zavatra nalevin’i DJ ao ambanin’io orina ataony io matoa tsy nilaza anay Antehiroka ny momba ny fototra izy (asa ny fahamarinan’izany fa ho hita eo rehefa harodana io).
Nahoana tokoa moa no hoe hanorina eny Anaty Rova kanefa tsy niantso ny Antehiroka hitso-drano sy hanamasin’izany.
Na ny nanjaka rehetra tao, rehefa avy niantso ny mpanandro, ny mpanala-faditra dia miantso ny Antehiroka hanao ny tso-drano sy ny fanamasinana.
Ny Antehiroka no hany mahazo mitondra ny hazo tolàna ampovoan’ny trano miakatra an’Anaty Rova (mitondra hoy aho fa tsy hoe manome ny hazo na mikapa ; ireoo asa farany ireo dia mbola andraikitry ny Zanak’Andriana voafaritra tsara teo amin’ny fomba amam-panao).
Hoy Ravokatra lehiben’ny Antehiroka ankehitrio ary mipetraka ery Andranoro hoe : koa na niantso ny Antehiroka aza izy, tsy adala very sata akory izahay ka hanaiky hanao izany. Tsy hoe filoha akory izy dia ho eken-teny fa misy ny fomba nentin-drazana tsy voafehin’ny lalàna repoblikana.

Fampatsiahivana ;
Ny Antehiroka no tsy manao Tsarava Tompoko (izay no nilazana hoe namoha-fady i Bao nanambady an’i Ndrema)
Ny Antehiroka no mpamora ny Zanak’Andriana. Teo amin’io fomba famorana io dia nisy ilay fitaovana iray (tsy tadidiko ny fiantsoana azy, asa ny namana Sandy (archéologue conservateur) izay nitahiry ireo sisa tsy may tery Faravohitra raha mahatadidy ny anaran’io) izay natao ho toy ny fehikibon’ny ho forana.
Izy io dia natao hanakonana mba tsy ho hitan’ny be sy ny maro afa-tsy ny Antehiroka mpamora ihany ny ràn’ny Zanak’Andriana, ary hiarovana ny fery tsy hikasika ny akanjo. Ilay lazaiko fa notehirizina etsy ambony dia ilay nampiasaina tamin’ny famorana an-dRakotondradama na Radama II.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS