Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 26 avril 2024
Antananarivo | 03h57
 

Répondre à un commentaire

8 février 2020 à 10:13 | Zanabahoaka (#8890)

Nisolo ny Minisitra, minisitra izay nanao izay ezaka azony natao hitazomana an’ity ranamana henjana ity tany am-ponja.

Ny ekipan’ny minisitra vaovao ve dia tsy nisy nahafantatra mialoha hoe mety tsy hangarahara ity fitsarana tamin’ny alarobia ity ? Tsy misy afaka nanara-maso mialoha tokoa ve ka afaka notratrarina ambodiomby ny kolikoly henjana mety nitranga tao ? Fa dia nahazo LP mazava aloha ranamana ary mazava ho azy fa hanjavona vetivety eo.

Roa andro aty aoriana ny minisitra vaovao sy ny ekipany vao mamoaka didy fampisamborana hafa ho an’ity henjana ity. Mampiato amin’ny asany ny Procureur ary mandefa BIANCO. Mety ho avy ato ho ato koa ny sazy ho an’ny Mpitsara tahaka ny nataon’ilay minisitra teo aloha tamin’ireo mpitsara tany Toamasina ?

Na ahoana na ahoana, dia porofo mivaingana ito raharaha ito fa tsy mbola madio ny Fitsarana. Ary tsy misy ezaka hita mihitsy fa mirona mankany amin’ny fanadiovana (nanatratra ambodiomby ny kolikoly nitranga namoahana ity LP ity ohatra). Ireto ekipa vaovao ireto dia hita hatreto aloha fa tsy nahafehy ny asany tamin’iny fitsarana efa fantatra fa tsy hangarahara iny. Raha tsy izany dia mpiray tsikombakomba fa fihetsiketsehana fotsiny ity didy fampisamborana nivoaka omaly ity.

https://lexpress.mg/08/02/2020/apres-sa-remise-en-liberte-mandat-darret-contre-le-depute-ludovic-raveloson/

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS