Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 26 avril 2024
Antananarivo | 23h52
 

Répondre à un commentaire

8 février 2020 à 17:42 | Vohitra (#7654)

Misy aretina goavana, mihanaka ary mandripaka ny Malagasy, tsy hanavahana toerana, saranga, foko, finoana, fiandaniana, ary tena lasa zava-doza miteraka vokatra ratsy sy poizina tokoa, dia ny fihatsarambelatsihy izany.

Simba sy rotika, levona sy triatra, rotika sy ripaka, ny sehatra rehetra izay hitrangan’ity fihatsarambelatsihy ity, ny fiarahamonina, ny fihavanana, ny fivavahana, ny asa sy ny fihariana, ny fandaminana, ary ny tontolo politika.

Mety mbola misy ve Firenena misy mponina tompondaka sy lohalaharana noho isika Malagasy manerantany amin’ity fihatsarambelatsihy ity e ?

Efa hita mazava izao miharihary fa lasa mpanankarena tampoka noho ny halatra sy kolikoly ary fisolokiana ilay olona iray, dia mbola saronana sy afenina ao anaty fihatsarambelatsihy ihany ny momba azy…satria hono manao asa soa ho an’ny mahantra izy !

Efa hita sy miharihary fa ratsy fitondrantena ilay olona iray, mamolava, mpanitsakitsa-bady, mpifoka rongony, mpiloka, nisolo vady matetika, manana fomba firaisana hafa tsy mitovy amin’ny eken’ny fiarahamonina, dia leferina ihany ny momba azy…satria mahay miresaka sy mamalifaly ny manodidina azy ary manankatao !

Efa hita miharihary izao fa tena tranondainga sy mpanafina ny marina, ary mivelona amin’ny fitaka sy soloky ny olona iray, dia jerempotsiny, omena doka, omenkaja…satria fetsy sy mahay hono, kinga sy havanana hono, mahay miketrika hono !

Efa hita izao fa tena jiolahy sy ratsy toetra, vehivavy janga sy mampihoronkoditra, mpanambany sy mpanaliaka olona igagana, dia omena toeram-boninahitra sy andraikitra goavana, ametrahana fitokisana satria…manambola, manankatao, manampahefana, ary manontany ny ory !

Io fihatsarambelatsihy io no tena loharano sy fototra mitarika ny fiainan’ny Malagasy any amin’ny hantsana lalina sy ny fahapotehana, ka mahatonga ny rafi-pisainana sy fanao handeha any amin’ny tsy mety, hanao ny voarara, handika ny lamina, hanosy ny marina, hanongana ny fahendrena sy ny fitaizana, ary hisloky voninahitra…

Handeha ary hiverenana ny lohahevitra navoitry ny lahatsoratra.

Fantatry ny Malagasy ny marina, ny rariny sy ny hitsiny, ny sahaza sy ny mendrika, ny fomba sy ny fitaizana, ny tsy mety sy ny voarara, fa minia sy misary adala ny ankamaroany sy ny daholobe, ary tsy mitsinjo sy tsy mikatsaka intsony afatsy ny tombontsoa manokana, ny fankasitrahana miafina, ary ny anjara mitanila, ary ny hosoka amin’ny fahamendrehana sy ny fitaka saloram-boninahitra…lasa niorina eo ambony vola sy harena ary hosoka ilay fihavanana sy fiarahamonina, ilay fomba sy fitaizana, ary ilay haja sy voninahitra…

Raha antsoina sy sarihina hiaro ny marina sy ny rariny, hitsipaka ny mamoafady sy ny voarara, ny olona sy ny fiarahamonina, dia tsy manana fietanampo sy faharisihina intsony izy, tsy manana fahavononana sy firaisantsaina izy, noho ilay rafi-pisainana sy fihetsika ary fandinika, efa vonto sy voatefy tao amin’ilay fihatsarambelatsihy miompampana, tsy mamaly antso izy ary tsy miroboka raha tsy misy ny tombontsoa aterak’izany, raha tsy misy ny sitraka miafina…noho ilay fihatsarambelatsihy ihany…
Saingy mbola misy kely aro fanina ara-panahy, mbola misy kely fietanampo sisa navelan’ny tsiahy ny fomban’ny lasa, dia ny torapo sy ny firaiketampo amin’ny dia sy làlana omban’ny maro, dia ny tahotra ny fahitana rà, ny tohina vokatry ny fahaverezan’aina, ny ratra sy alahelo vokatry ny fanitsakitsahana saranga, ny henatra sy fady amin’ny mpianadahy…ny ankoatra sy ivelan’ireo dia ny fihatsarambelatsihy no manjaka tanteraka sy mibahana mameno saina…

Dia io aro fanina sy fietanampo io no nohararaotina sy nantsoina, ary nentina nisarihina ny fiarahamonina, ka nitondrana ny olona ho eny Ambohitsorohitra, nikolokoloina ny fankahalana, nanentanana ny fiandaniana, mba hahita rà, hahita aina very, hahita saranga haripaka, hahita ny fady imaso…amin’izay ho sahy hijoro hanameloka ka handao ny fihatsarambelatsihy nahazatra azy…

Tsy olo-marina velively akory I Ravalomanana, tsy olona Hendry sy olona tsotra sy mahitsy ampo akory I Ravalomanana, saingy noho ny fihatsarambelatsihy, dia tsy roboka hanohitra sy hitsipaka azy mivantana ny olona sy ny fiarahamonina raha tsy eo ny rà, eo ny aina, eo ny ratra, eo ny fady…dia nisy Ambohitsorohitra.

Io fihatsarambelatsihy io izay manjaka anaty fiarahamonina, finoana, fivavahana, fihariana sy asa, io no tsy resin’ny mpanao politika raha tsy amin’ny alalan’ny “sorona” sy “vola”…dia nisy Ambohitsorohitra.

Raha tsy io fihatsarambelatsihy efa mahazatra io, tsy nilaina akory ny fidinana andalambe nanohitra, tsy nilaina akory ny kabary zato sy arivo, tsy nilaina akory ny fanentanana sy antso ho fanajana fitsipika sy didy, ary…tsy nanakarena akory ireo mpaminany sandoka, tsy nilaina akory ireo mpanala devoly nangaron-dapa…io fihatsarambelatsihy io…dia nisy Ambohitsorohitra ny 07 febroary 2009 !

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS