Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 27 avril 2024
Antananarivo | 01h23
 

Répondre à un commentaire

14 janvier 2020 à 11:12 | Shalom (#2831)

Matoa manao toa izao ny mpitondra dia tapi-dalan-kaleha satria mahatsikaritra fa tsy mahomby ny manodidin’azy (tsy toa izany ve ilay conseiller spécial-ny iray izay « développeur » tao amin’ny La Banque Postale tao Paris no asany tany Frantsa ? Ary bizina no mameno ny fandaharam-potoanany ankehitrio kanefa lazaina fa mpanolo-tsaina manokan’i DJ ?).
Manarak’izany, tsy sanatria tsy fitiavan-tanindrazana raha milaza izao fa raha mbola olona misaina sy nianatra marina tokoa dia tsy hiroboka hanetsa tsiparifary ; inona no azo raisina marina ka hoe hampandroso an’i Madagasikara ao amin’ilay IEM ?
Misy maritr’asa mivaingana tokoa ve sa sarintsarin-teny entina handravahana pejy no betsaka. Omeo politisiana na ekonomista na prix Nobel ho vakiana dia ho hitantsika eo no avalindreo. Ka hoy aho hoe : olona misaina sy nianatra iza no nde hiroboka ao ; « opportuniste » angamba fa raha tena olona lalin-tsaina sy tena tia hampandroso ny tanindrazana sy ny vahoaka, tsy mino loatra aho.
Tohanako 100% ny soratr’ilay ranamana omaly manao hoe : tokony ahatsiaro tena ry zareo fa tsy manana ny traikefa ka tokony hiantso olona hafa handray ny toerany. Raha iza no safidiny dia tena tia tanindrazana tokoa izy fa tsy manao mokon-doham-pamosavy malemy toa izao ka misisika mandihy fasana kanefa fasam-bao. Mba mahasahia mijoro ho lehilahy e ! Roso toy tsa mipody koa hoy ny havanay izay.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS