Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 27 avril 2024
Antananarivo | 01h23
 

Répondre à un commentaire

15 octobre 2019 à 14:22 | Vohitra (#7654)

« clair-obscur » hoy ny taridresaka naroson’ny mpanolotra lahatsoratra. Raha atao dikanteny malalaka izany dia manambara fa misy “maizina ampototry ny mazava”, na koa “hazavana taratra mitsinjo nefa toa rakotra haizina”.

Mahazendana sy maha-valalanona ary tena maha-sadaikatra tokoa. Toa zary mifanohitra sy tena mifanipaka ary miteraka fisavorovoroankevitra tokoa. Toa mitory tsy filaminantsaina sy fikorontanankevitra, ary sarotra raisina sy mandiso fijery.

Fa inona tokoa ary moa ny zavamisy fonosin’ity lahatsoratra ity ?

Samihafa sy mifanipaka tokoa ny fampanantenana natao sy ny kabary nameno tsena sy nandroboka, raha oharina amin’ ny zavamisy mitranga sy fanapahankevitra noraisina ary ny asa notanterahana. Toa miantsoro-mianohatra ny miseho, toa lasa mampivanàka ny mpitazana sisa fa manalasala ohatry ny tongotry ny mpanihika.

Fa nahoana ary, inona no antony ?
Tsy misy tanjona mazava ny hitondrana ny Firenena, hevitra mihanohitra no ventesina sy tanterahana, tsy mazava sy tsy mirindra ny atao, tsy voafaritra ny làlana hizorana. Handeha hijery tranga iray isika hanamafisana ny tiana hambara.

“rehefa tonga eo amin’ny fitondrana aho, dia haveriko amin’ny tompony ireo tany rehetra nalaina ankeriny sy nanaovana kolikoly, tsy haka ny tanin’ny tantsaha aho ary hanampy ny tantsaha, hatsahatra ny fanotofana ny tanin’ny tantsaha, ary haverina amin’ny fanjakana ireo tany nisy naka ankeriny…”

(hotohizana)

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS