Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 26 avril 2024
Antananarivo | 23h43
 

Répondre à un commentaire

7 octobre 2019 à 12:27 | Vohitra (#7654)

Mba diniho ange leiretsy izany kitoatoa tsy misy farany e !

Ny 19 oktobra no hivaly ilay fanadinana, dia raha tsy afaka ianao dia manala indray ny 23 oktobra.

Ny aty ambanivohitra anie rehefa handeha hanala fanadinana ny ankizy dia miainga ny raimamandreny mitondra vatsy (vary, vola, sakafo sy kojakoja samihafa…) dia mandeha mamonjy ny toeram-panadinana izay mbola lavitra ny toeram-ponenana mahazatra, dia mitady trano hofaina mba hitobiana mandrapahavitan’ny fanadinana e !

Dia aiza no hahavitan’ny raiamandreny izany fiomanana izany anatin’ny fotoana fohy ? ny fotoana maintany miditra maintso ahitra, tsy misy vola fa tena anaty fahasahiranana, inona indray no handeha hamidy hiatrehana izany ?

Tsy fantatrao marina ny fahorian’ny tantsaha e, tsy hainao ny Malagasy. Teny ambony helikoptera no mba nahitanao ny fahoriana mianjady amin’ny Malagasy.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS