Répondre à un commentaire
Publicité
Articles populaires
Derniers commentaires
- Taux de change : l’ariary continue sa dégringolade - Il est bien connu que le mensonge prend l’ascenseur, ou le téléphérique, (…)
Stomato - Carburant : le ton monte face aux longues files d’attente, crise logistique et beaux discours - Oui jipo
C’est terrible
Mais ce PROBLÈME GRAVE de la DÉMOGRAPHIE est (…)
bekily - Taux de change : l’ariary continue sa dégringolade - Merci Malibuc...
Elle en a vraiment pris dans la gueule l’enivree
Vohitra - Taux de change : l’ariary continue sa dégringolade - Vary frelaté & non « gary » ...
Jipo - Taux de change : l’ariary continue sa dégringolade - Pouvez vous me citer UNE SEULE CHOSE QUI NE DEGRINGOLE PAS A MADAGASCAR A (…)
Jipo
{#URL_PAGE{archives}}
Indro fa manomboka mitsidika sy hanjaka eto Madagasikara ny fijery tokana handidy sy hanapaka ary handrafitra fisainana voatefy ka hanery ny vahoaka sy ny mponina hankato tsy misy fepetra ary hanao tokim-panompoana ny mpitondra sy mpanapaka politika.
Ireo toky sy fampanantenana zavontany tsy tamby isaina, ary nofy ho amin ny fiovana sy fivoarana higagana, maro no manomboka mahatsikaritra ankehitriny fa betsaka no tsy ho tanteraka ary izay vitsy mety ho tontosa aza dia tsy hifanaraka mihintsy amin izay heverina fa lafatra sy ara-drafitra manarapenitra.
Ny manahirana ny mpitondra ankehitriny dia ny hifehezana sy hanoherana ny tsikera ary hisarika ny fisainan ny mpandinika tsy haneho afatsy hevitra FANOMPOANA ny mpitondra.
Izay ilay antony mahatonga ny mpitondra mizotra miandalana ho any amin ny rafitra manome vahana ny fampitomboana ny fahefan ny Filoha.
Tsy ho ela fa efa io an-dalana io, arahi-maso sy gejaina ny serasera amam-baovao, arahi-maso ny fifanakalozana sy fifamoivoizana, harafitra ny kolontsaina vaovao miompana any amin ny kanto sy alavoly handrobohana ny tanora, ary hapetraka ny fahazarana ara-piarahamonina hiankohoka amin ny mpitondra.
Tandindomindoza ny Firenena, roso eo ambavan ny hantsana mangitsoka, efa miatrika sy amperinasa ireo mpivarotra ny tanindrazana, efa eny ambavan izy ireo ny vidin ny fitaka nampandriana adrisa ny Malagasy, ireo mponina mitoetra amorontsiraka sy amorondriaka efa renoka voatefy hihoby fanjakana matanjaka natao hotompoina.
Na dia sahirana aza ny fitondrana, na dia mbola mandinika aza ireo tompon ny petrabola, na dia mbola mailo aza ireo mpampindram-bola, aleon ny fanjakana aloha tsinjovina haingana ny fanamboarana ny araben Antananarivo satria ao no mitoby ireo kinga sy fetsy, mpanera ny harempirenena, tompomenakely vaovao amin ny taonjato faha-21.