Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 26 avril 2024
Antananarivo | 01h51
 

Répondre à un commentaire

16 mars 2019 à 09:39 | Vohitra (#7654)

Mirary fihononana feno ho an ny fianakavian i Manandafy Rakotonirina ary manantena ihany koa mba tsy ho lavo fa hisinkiponitra hitraka ny antoko MFM.

Lasa nandao avokoa ireo mpanorina ny antoko politika lehibe izay nandrafitra ny tantaran i Madagasikara.

Amiko, telo ihany no tena antoko politika nanana fotokevitra ideolijika mazava ary na dia tsy nanapaka ny fahefana faratampony teto amin ny Firenena aza, dia nahavita nametraka rafitra na teny antanandehibe na teny ambanivohitra : teo ny Monima/kamioviombio, teo ny Akfm/Kdrsm, ary ny MFM/MFT.

Nahavita nanokatra ny fisainana sy fandinihin ireo mpianatra nandranto fahalalana teny amin ny anjerimanontolo izy ireo ny taona 70 sy 80, ary nandrafitra ny adihevitra mikasika ny lalana sy safidy nentina nampandrosoina ny Firenena.

Lasa i Koto, nizotra amin ny lalana nomban i Lynx, mandria ampiadanana. Any ankoatra any angamba no mety ho tanteraka ny fitoviantsaranga.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS