Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 27 avril 2024
Antananarivo | 04h32
 

Répondre à un commentaire

7 mars 2019 à 23:23 | lysnorine (#9752)

Re punchline 7 mars 2019 à 18:45 répond à Behantra « c’est quoi un côtier » ?

« @Behantra, t’es un GROS chez les GROS, en plus tu ajoutes l’element de langage, pour faire beau, « je suis côtier , je n’ai, blablabla... »vu que c’est toi qui le dis donc on va te croire ! mais passons...
en cette année 2019, vu que t’es encore à ce stade : c’est quoi un côtier, c’est quoi un Merina, peux tu me le dire ? »

« Behantra, 7 mars à 13:08 : Je suis un ’côtier’ , et je n’ai aucun complexe envers eux !! »

Tsotra ny hevitry ny teny frantsay hoe « côtier » : mpamaritra (adjectif) anarana aloha, fa TSY anarana (substantif) tsy akory. Mpamaritra izay toe-javatra-rehetra manara-morontsiraka na akaiky azy.

« côtier (adj.) : Relatif aux rivages de la mer ; qui se pratique, qui se trouve sur les côtes » [Larousse, https://www.larousse.fr/dictionnaires/francais/c%c3%b4tier/19625?q=c%c3%b4tier#19512] ;

« côtier (adj.) : qui se rapporte aux bords de mer. ; synonyme : littoral ; Qui a RAPPORT aux côtes, qui HABITE les côtes. Douane côtière. Population côtière.... » [http://dictionnaire.sensagent.leparisien.fr/c%C3%B4tier/fr-fr/#anchorLittre]

Fampiasa teto Madagasikara kosa io « anarana » (substantif) « côtier » io, raha namolavola sy nampihatra ny « politique des races » i Galliéni, dia ny FIFAMPIFANDRAFESANA ny tompon-tany sy ny fandrahonana ny hampiadiana azy ireo. Nohamafisin’ny fanjakana faha-fanjanahan-tany rehetra nisesy teto Madagasikara izany, indrindra tamin’ny nampanorenany ny PADESM tamin’ny 1946 hanohitra ny fitakiana ny fiverenan’ny fahaleovantena.

Isan’ny mbola andry lehibe fototry ny pôlitikan’i Frantsa eto Madagasikara io « politique des races » io . Nokolokoloin’ny zaza navelan’ny Kôlabô-n’ny fanjanahanan-tany sy ny taranany ihany taorian’ny fitsanganana ny Repoblika MALAGASY tamin’ny 14 Ôktôbra 1946, fa dia nomenana sy nahazo « aim-baovao » kosa taorian’ireny nananganana faingana « DIRECTOIRE MILITAIRE » ireny, ny alin’ny namonoana an’Itpkl. Ratsimandrava (11 Febroary 1975).

Mbola soronina tsara foana ny afo andrehetan’ny ady an-trano rehefa ilaina ( ohatra : ny ady an-trano tsy nahomby narafitr’Ingahy Didier Ratsiraka tamin’ireny 2002 ireny, ny « fédéralisme-décentralisation », ny prôpagandy tamin’ny fifidianana farany teo nitorohana an’Ingahy Ravalomanana ho « rasista », sns., sns.).

Momba ny hevitry ny teny Malagasy hoe « foko » dia nisy fanazavana toy izao manaraka izao, naposaka ray aman-dreny iray (tompon-tany Malagasy hihiriny), mpikaroka sady mpanoratra :

« Ny toerana ivantanan’ny hanina ao anatintsika no atao hoe ’’FO’’. Tsy mba kibo akory no filazana io toerana io tao am-boalohany...

« Ary satria ny ’’mamelona fo’’ no anton-draharahan’ireo razantsika ireo dia nanjary teny nenti-nilaza ny ’’mpiara mitady fivelomana’’ ny teny hoe ’’fo’’.

« Nampiana ’’ko’’ izany ho enti-milaza ’’ahy’’. Io ’’ko’’ io nanampy, no entin’ilay miteny manamafy ny firaisanny amin’izay miara-mitady fivelomana aminy. Tsy hafa ireny fa ny afaka hiara-mitady ny hivelomana, toy ny fianakaviana iray, ny terak’olona iray, ny mpihavana akaiky, ary indrindra ny mpiray fiaviana. Olona mitovy fiteny.mitovy fomba amam-panao y mpiray fiaviana tamin’izany fotoana izany. Koa na nisy fianakaviana maro aza tanatin’ireo mpiray fiaviana ireo, dia afaka nifandray izy rehetra noho ny fomba aman-panao sy ny fiteny niraisana. Koa izany no naharaikitra nilazana azy ireny hoe ’’foko’’. Izany hoe ’’mpiray fitadiavana fivelomana’’ amiko...

« Tsy nampisara-monina velively anefa ny fahasamihafana rehetra...ny olombelona, faran’izay vitsy sy malemy indrindra, dia nahita soa sesehana vokatry ny fiaraha-monina..

« Niara nonina avokoa anefa ireny ’’foko’’ ireny. Tsy tan-jato taona fa tan’arivo taona no niarahana. Koa nifanambady, nifanatona, nifanakaiky tsikelikely tany na no volon-koditra, na ny fiteny, na ny fomba amam-panao, na ny fisakafo. Tsy foana tanteraka akory ny fahasamihafana. Nifanatona bebe kokoa hatrany ihany kos anefa noho ny tao am-piandohana. »
[Paul Ramasindraibe, Fokonolona Fototry ny Firenena, Nouvelle Imprimerie des Arts, 1975, p. 10].

Araka ny fahitanay amin’ny « Rakibolana », dia diso ny fiantsoana safo be mantsina amin’ny fiteny Malagasy ho « Tanindrana » ny hoe « Côtier » araka ny tombon-kasen’ ny « politique des races »-n’i Galliéni sy ny forongony taty aoriana : TANTSIRAKA angamba no izy :
« an’INDRAN-TANY, adv. EN DEHORS de la province où l’on se trouve » (Malzac)
« indrany, s. the SIDE, (Richardson)
« indrana = SISINY, manolotra ny sisiny », Rajemisa (ao ambanin’ny lohateny hoe « Tanindrana »)
TANIVO kosa angamba no fanondro ny tsy mponina eny amin’ny morontsiraka fa eo AFOVOAN-TANY [« any anivo : any afovoan-tany »], ka ahitana raha miainga avy any amin’ny farany Atsimo ka mianavaratra :
BARA
TANALA
BETSILEO
MERINA (’’HOVA’’)
BEZANOZANO
SIHANAKA
TSIMIHETY

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS