Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 27 avril 2024
Antananarivo | 03h14
 

Répondre à un commentaire

21 février 2019 à 10:47 | Eloim (#8244)

Tsara fiantombohana ny hetsika toy izao. Antananarivo nefa tsy Madagasikara koa mba jereo akaiky tahaka ny ataonareo any an-drenivohitra ny any ambanivohitra izay misy ny ankamaroan’ny vahoaka malagasy. hamaroy zay tratra ny isan’ireo mpiantsehatra ary mba tsy ho azon’ny fakam-panahy dia manaova famindran-toerana matetitetika. Ampitomboy torak’izany koa ny fampiofanana mifanaraka amin’ny tranga misy sy ny mety ho fivoaran’ny teti-panoron’ireo jiolahy.
Momba ny fampiasana fitaovam-piadiana ary fomba sy mahery vaika ary koa ny fampiasana ny angidimby dia fantaro tsara hoe tena olon-dratsy ve no atao vono moka sa olon-tsotra satria ny aina koa dia tsy maintsy tandrovina ihany satria lahy tokana hono. Tsarovy fa manara-maso akaiky amin’ny fampiasana ireny fitaovana mahery vaika ireny ny MPIARO NY ZON’OLOMBELONA. Aoka koa nefa tsy HIREHAREHA amin’ny famonoana ny jiolahy na dahalo ny mpitandro ny filaminana fa mba hitady hevitra kosa mba hampihenana ny VONOAN’OLONA.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS