Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 26 avril 2024
Antananarivo | 06h08
 

Répondre à un commentaire

10 novembre 2018 à 10:59 | Vohitra (#7654)

Miarahaba Tompoko,

Tsy hanasatra ary tsy hampieri-belona sanatriavina ny hamerimberenana fa sarotra no hahitana mpitondra hendry hivoaka avy ao anaty vahoaka misary adala.

Fitombenana mihovitrovitra nolaroina ronono antavy ary notampohina vovoka nentin’ny angidimby no indro nentina hanorenana safidy tsy miorimpaka afatsy amin’ny fihobiana ireo mpitaridalana faingatanana sy mpanao sintomahery ary laingaraofina.

Tsy nisIntona lesona avy amin’ny atambo nitranga tamin’ny namerenana an’ingahibe tamin’ny 96 dia izao indray manao kilalaon’afo manandratra tontakely.

Mankasitraka Tompoko

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS