Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 27 avril 2024
Antananarivo | 08h08
 

Répondre à un commentaire

1er août 2018 à 18:30 | lysnorine (#9752)

@Isandra-1er août à 12:39

« ce n’est pas auprès de HCC qu’on dépose des plaintes contre une personne, mais, auprès du tribunal (!!) »

TSY MISY FAHAMARINANA sy FANOMEZANA RARINY sy HITSINY azo andrasana avy amin’ny Fitsarana araka ny fampahatsiahivan’izao lahatsoratra izao, niseho tao amin’ny « Triatra » androany.

Raha tsy diso izahay, mpomba ny fitondrana ankehitriny io gazety io fa tsy mpomba an’Ingahy Ravalomanana tsy akory.

« Sivy taona lasa : Voaheloka Ravalo » ; 01/08/2018
http://triatra.info/sivy-taona-lasa-voaheloka-ravalo/

« Ny sabotsy 28 aogositra 2009 tokony ho tamin’ny 1 hatramin’ny 6 ora maraina no nivoaka ny didim-pitsarana nanameloka an’i Marc Ravalomanana hanao asa an-terivozona mandra-pahafatiny ARAKA NY BAIKO nomen’i Andry Rajoelina ny minisitry ny Fitsarana Christine Razanamahasoa...

« Mizàna tsindrian’ila

« NIHAZAKAZAHAN’i Andry Rajoelina filohan’ny HAT sy ny minisitra Christine Razanamahasoa ny FITSARANA ny raharaha 7 FEBROARY ebroary, ka namoahana ny DIDY MANAMELOKA an’i Marc Ravalomanana hanao asa an-terivozona mandra-pahafatiny..

« MIZÀNA TSINDRIAN’ILA ihany anefa ny fomba nanatanterahana ity fitsarana ity, satria tsy nanana zo niaro tena tamin-kalalahana ireo voampanga. Niharan’ny FAMPIHOROHOROANA avy amin’ireo MISILY mitam-basy MPIARA-DIA tamin’i Andry RAJOELINA avokoa ireo izay voakasiky ny zava-nitranga teny Ambohitsorohitra, ary TEO AM-PELATANAN’i Andry Rajoelina TANTERAKA ihany koa ny FITSARANA.

« Nandeha ila ny fizotry ny fanadihadiana manodidina ny raharaha 7 FEBROARY 2009. Manaporofo izany ny taratasy nataon’ny kolonely Charles ANDRIANASOAVINA ny faha-05 novambra 2012

(Par ailleurs, j’ai appris que le MASSACRE du 07 Février a été EXÉCUTÉ par des éléments du Commandant LYLYSON René. J’ai manifesté mon indignation à Monsieur Rajoelina qui m’a simplement répondu que c’est le prix à payer).

Nitaky ny hamerenana ny fitsarana iny raharaha 7 FEBROARY 2009 iny Ravalomanana Marc ary nilaza mihitsy fa vonona ny hiatrika izany...

26 Janoary

VITSY LAVITRA NOHO NY ISAN’NY OLONA MATY NANDRITRA NY 26 Janoary 2009 ireo namoy ny ainy nandritra ny FANAFIHANA LAPAM-PANJAKANA ny 7 Febroary. Mampametra-panontaniana araka izany manao hoe :

“NAHOANA NO TSY NOTSARAIN’ny fitondrana Andry Rajoelina io raharaha 26 Janoary 2009 io ?”

Raha ny lalàna no jerena dia mbola AZO ATAO TSARA NY MITONDRA INY FANDROBANA NIHARO VONOAN’OLONA SY FANDORANA TANÀNA NOTARIHIN’i Andry RAJOELINA sy ny TGV iny.

Ny FITARIHANA OLONA NIDINA AN-DALAMBE no vesatra nanenjehana sy nanamelohan’ny fitondrana Andry Rajoelina an’i LALATIANA sy FIDÈLE taorian’ny hetsika teny Ambohijatovo izay niteraka fahapotehana “publiphone” iray efa tsy miasa intsony. TRANOMBAROTRA sy MAGAZAY FIRY anefa no may KILA forehitra sy POTIKAa nandritra ny “ALATSINAINY MAINTY” ? Marihina moa fa i Andry Rajoelina no nanome TSO-DRANO ireo MPANDROBA hihazo teny amin’ny MBS Anosipatrana, may sy voaroba daholo koa izay toerana avy nolalovany raha tsy hiresaka afa-tsy ny RNM sy ny TVM.

.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS