Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 26 avril 2024
Antananarivo | 14h27
 

Répondre à un commentaire

12 juillet 2018 à 10:26 | arsonist (#10169)

Les questions qui se posent à nous , les Gasy , concernant
les relations qu’entretiennent respectivement les gros candidats aux présidentielles gasy
avec les pays étrangers.

Iniana atao tenin-drazana ity lahatsoratra ity mba tsy ho baranahiny ka hidiran’itsy vahiny itsy sy iroa vahiny iroa . Indrindra moa fa ireo mpanambany ny mpakahala ny Gasy rehetra tsy akanavaka.

Na dia tsy mbola fotoana raikitra n’ny fampielezan-kevitra aza izao fotoana izao , dia ireo iaraha-mahita ireo ry zareo efa revo mampiely sahady ny heviny any amin’ny faritra maro any.
Toa tsy ho voasakana anefa izany fialohavana ny fotoana raikitra izany , satria samy manao be marenina daholo ry zareo.

Ny tiana ambara aloha izao anio izao dia ny momba ny firehanan’ireo te ho voafidy filoha , mankatsy amin’ny fahefana vahiny izatsy , na mankaroa amin’ny fahefana vahiny izaroa.

a) Raha ny fahitana azy aloha hatramin’izao dia mazava fa ry peta-tsanga dia mirona tanteraka hiaraka amin’ny tombon-tsoan’ny sasany amin’ireo voay be nanjanaka antsika taloha.
Ny fisafidianana ny renivohitry ry zareo ireo ho toerana nanaovana voalohany indrindra ny fampirantiana izay tetika tadiavin-dry peta-tsanga ho apiharina eto amintsika dia fambara mazava be fa mirona tanteraka any ny sain-dry zareo.
Any Eoropa anefa dia toa amin’io firenena tokana io fotsiny ry peta-tsanga no mana-namana , fa tsy misy any amin’ny firenena hafa mpikambana ao amin’io firaisana eoropeanina io .
Efa samy mahafantatra ihany koa isika fa tsy dia mamy hoditra loatra amin’ny be kintana koa ity peta-tsanga ity.
Momba ny sinoa indray dia tsy mazava loatra izay fifandraisan-dry zareo amin’i peta-tsanga .
Raha ny fanombanana azy dia toa tsy mino loatra an’ity peta-tsanga ity ry zareo sinoa.

b) Ny filoha amperinasa indray dia mampifangaro ny fampielezan-kevitra amin’ny fitokanana izay rehetra asa kely mba vita tamin’ny vola « sisa tavela » azo tamin’ny sambo-bola na fanomezana avy any amin’ny firenen-kafa na fikambanana any Ivelany.
Dia manararaotra ihany koa mamonjy itsy fivoriana itsy sy izatsy fisehosehoana izatsy any Ivelany any , fa te ho hitan’ny olona sy te ho deraina hoe nanatrika an’itsy na nahazo an’izatsy , kanefa tsy noho izy tenany akory no nahazoana ireny fa drafitra efa voalahatrin’ny mpanome tany aloha tany.
Amin’ny maha filoha amperinasa azy moa , dia raisina any amin’ny firenena maro any Ivelany any izy , satria izay no fomba , fa tsy hoe noho ny zavatra hafa akory.
Koa tsy mahagaga iz y raha raisina any usa sy canada , sy afrika sy eoropa ary azia , fa indrindra any shina.

c) Ilay mpivaro-dronono taloha indray dia toa miasa mangingina any.
Raha ny fahitana azy dia izy angamba no tsy nahazo tombony indrindra tamin’ny vokatr’iny hetsika farany teo tao andrenivohitra iny.
Izy koa moa dia isan’ny lohandohan’ny fiangonana fjkm , ka nivahiny tany uk izy nandritra ny fotoana nizarana seza farany teo iny.
Nanatrika tany wales ny faha-200 taona nahatongavan’ny misionera anglisy teto madagasikara.
Miteny anglisy izy io.
Mpankany usa any koa izy io.
Ka nisavoritaka aza ny foza raha nandre ny tsaho fa hoe nihaona tamin’ny us president tany izy.
Tsy misy mahalala mazava izay olona nihaonany tany usa tany anefa.
Maro sakaiza ao south-africa ao koa izy ka matetika mandeha any.
Misy resaka mandeha fa hoe manana orinasa tsara tantana any izy io.
Asa koa na mbola mandranto any ny zafikeliny anankiray na efa nifindra any antoeran-kafa .
Tsy fantatra mazava izay toetoetrin’ny fifandraisany amin’i shina sy korea-atsimo ary ny any azia rehetra any.
Ny fifandraisany amin-dry zareo tsotsoka koa (izay heverina fa tompon’andraikitra tamin’ny fanonganam-panjakana 2009) dia tsy hay loatra.
Fa kosa matetika mankany amin’ireo firenena any avaratra eoropa izy , fa indrindra any amin-dry zareo norvezianina sy ry zareo rainiboto.
Misy milaza fa hoe miteny rainiboto hono izy io.

d) Ilay mpihira tao amin’ny tarika mahaleo indray dia tsy henoheno intsony aloha tatoato .
Asa ! mizaha sy manangona foto-kevitra any ho any angamba izy no sady mamakafaka izay hevitra hitany any koa.
Amin’izao fotoana izao dia mbola tebo-panontaniana ngeza be aloha ny momba azy io izao .
Izay hitranga atsy ho atsy no asa.
Dia tsy mbola fantatra toy izany koa izay toetran’ny fifandraisany amin’ireo fitondram-panjakana any ivelany.

Famaranana :
Ireo aloha izao no azo heverina momba ny fifandrasaina amin’ny vahiny ataon’ireo antsoina ho ngezalahy amin’ity fifidianana filoha atsy ho atsy ity.
Marihina etsy andaniny fa samy betsileo i peta-tsanga sy ilay mpihira.
Ary samy merina kosa ny filoha amperinasa sy ilay mpivaro-dronono taloha.
Tsy maintsy hisy koa , na efa misy akory aza , anefa ny mpifaninana hafa fiaviana.
Ary atsy ho atsy dia mety ho lasa mpifaninana ngeza koa izy ireo.
Iza no mahita ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS