Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 26 avril 2024
Antananarivo | 12h32
 

Répondre à un commentaire

14 juin 2018 à 19:26 | valoha (#7124)

Tsy ny fanovana PM na ny Ministra mihintsy no hamaha ny olana eto Gasikara ! Mila miara-misalahy ny Faritra 22 manova ny Lalampanorenana mba ho Malagasy aloha ; Lalampanorenana mamaly ny filan’ny vahoaka sy izay ho avy ! Manarak’izany - tokony hovana ifotony miaraka @ izany ny Rafitra misy eto entina mitantana ny Tany sy ny Vahoakany ! Marina fa mila vola ny manodina ny raharaham-pirenena mba tsy hiankinana @ ny FMI, BAD,...Azo dinihaka miaraka malaky(Faritra 22 miaraka) ny mahakasika izany avy eo ! Rehefa misy ny finiavana sy ny fanapahana politika miaraka dia tsy ho olana ny mitady vahaolana ny amin’izany ! Hiova ho azy manaraka ireo ny toe-tsaina sy fomba entina miasa tena Malagasy, izay ifototra @ ny Soatoavina Malagasy(izay maha izy antsika marina) ! Tsy ny fialan’i PM, na ny Filoha velively no hamaha ny olana eto. Efa niverimberina ny toe-javatra toa izany. Vokany - mia mahantra hatrany isika Malagasy. Noho izany - any an-kafa ny fanalahidiny !

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS