Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 26 avril 2024
Antananarivo | 20h02
 

Répondre à un commentaire

16 mai 2018 à 10:55 | lysnorine (#9752)

@ iarivo14 mai à 16:19 , « Quatrième semaine de manifestation : un accord politique très attendu », http://www.madagascar-tribune.com/Quatrieme-semaine-de-manifestation,23827.html
« Mais QUE REPRÉSENTE DONC VRAIMENT ces « 73 députés du changement » ?

TSY IZANY « ACCORD POLITIQUE » asesiky ny « Communauté internationale » izany mihitsy no ilaina fa : ny fiantsoana ny Vahoaka MALAGASY HANAPAKA mivantana amin’ny alalàna FIFIDIANANA DEPIOTE VAOVAO, hanehoany ny fankasitrahany na ny fitsipahany ny fandrendreham-bahoaka hikomy ataon’ny « depiote 73 » hisazoany ny fahefam-panjakana.

MATAHOTRA ny fanehoan’ny Vahoaka ny feony amin’ny alàlana fifidianana izay rehetra mitsipaka izany ka mitady izany « Accords politiques » izany na « fifanarahan’ny mpilalao pôlitika » hizarana ny seza amin’ ny fitondrana ; tsy inona izany fa FISOLOKIANA sy FANAOVANA AN-KILABAO ankitsirano izao NY FAHEFAM-BAHOAKA sy ny FIANDRIANAM-BAHOAKA.

Efa ampy angamba ny fanazavana nataonay momba izany tsy fahasahiana hiatrika fifidianana izany ka tsy ilaina hiverenana intsony.

[lysnorine 12 mai à 21:21 répond à Isandra , ao amin’ny « Les élections anticipées proposées par la CENI gagnent des partisans »
http://www.madagascar-tribune.com/Les-elections-anticipees-proposees,23823.html?id_article=23823&id_objet=23823&var_hasard=17008631625af6abfa01a3a

Fa eto ambanin’ity matoan-dahatsoratra ity kosa no noheverinay tsara hamaliana ireto fanontaniana naroson’i iarivo ireto, naman’ilay voalaza etsy am-piandohany :

« [...] 73 députés du changement » qui exigent la démission du PRM, la mise en place d’un gouvernement de coalition, la dissolution des Institutions de la République ainsi que les structures étatiques comme la Commission électorale nationale indépendante (CENI) !!!

« Mais QUE REPRÉSENTE DONC VRAIMENT ces « 73 députés du changement » ???

« Déjà au sein des 151 députés que représente-ils, quel poids ont-ils ??? [...[

« Peuvent-ils parler au nom du peuple malagasy, pire, imposer leur diktat au peuple malagasy ???

« Ce serait donc cela cette fameuse « Démocratie à la malagasy » ??? »

Inona marina no tena lanjan’ireo « depiote 73 » MIARA-mitady amin’ny « communauté internationale » izay MANOHANA azy, ny FANONGANANA TSY ARA-DALÀNA ny PM Mahafaly Solonandrasana sy ny governemantany, volana vitsivitsy alohan’ny tsy maintsy hanaovana ny fifidianana prezidàn’ny Repoblika vaovao ?

Fifidianana irery ihany, ary FIFIDIANANA DEPIOTE, izay ihany no hahazoana VALIN’ireo fanontaniana ireo, mazava tsara, amim-panajana ny DEMÔKRASIA sy ny LALÀM-PANORENANA fa tsy fanaovana « Accords politiques » MANOSIHOSY azy ireo ary hita sy tsapa fa fanatanterahana BAIKON’NY « communauté internationale » na i Frantsa sy ny longony no tena ao ambadiny.

Mety ny hamerenanay kely eto ny fivoasana sy fampitandremana efa nataonay mikasika ny SINEMA ataon’ny « CI » sy ireto « depiote 73 » ireto mandrendrim-bahoaka hikomy, hanonganana ny mpitondra fanjakana ankehitriny.
Zahao : lysnorine ,26 avril à 17:52 | ao amin’ny « La SADC envoie Joaquim Chissano »
jeudi 26 avril (2018), http://www.madagascar-tribune.com/La-SADC-envoie-Joaquim-Chissano,23771.html#comment363682

« Fitsabahan’ny UA-SADC & Chissano – izay efa FANANDEVON’ny any ivelany – amin’ny RAHARAHAN- TOKANTRANON’i Madagasikara sy ny Fanjakany :

« Tsy inona akory io fitsabahana atrehana io fa Fizarana iray ihany, tohin’ny RAFI-TANTARA nampilalaovina na hampilalaovina ny « andry faha-5-n’ Frantsa sy ny longony » hanonganana an’Ingahy prezidàn’i Madagasikara ankehitriny sy hampakarana indray eo amin’ny fitondrana ny saribakoli-maromitany – Ingahy Rajoelina, izay nampanonganan’i Frantsa an’Ingahy Ravalomanana sy ny fitondrany tamin’ny 2009 ! [ Ny amin’ny fizarana talohany, zahao : lysnorine 23 avril à 19:16, 19:28, 19:44 ; 24 avril à 17:20 ; 25 avril à 09:10 ao amin’ny « A la place du 13 mai, là où s’écrit l’histoire », samedi 21 avril, http://www.madagascar-tribune.com/A-la-place-du-13-mai-la-ou-s-ecrit,23763.html ]

« Koa nampidirina an-tsehatra indray ireto fikambanana Afrikanina ireto (Union africaine, SADC) – izay tsy inona fa Andevon’ny hoe « Communauté internationale » – sy ny mpanompolahiny, mpanatanteraka ny baikony, tahaka an’i Chissano. [Zahao : « Lula aux Africains : cessez de baisser votre pantalon devant les occidentaux ! », http://alainindependant.canalblog.com/archives/2011/07/09/21576909.html ; http://r-sistons.over-blog.com/article-lula-l-afrique-doit-se-liberer-du-colonialisme-dsk-une-machination-79016257.html ]

« Mahatalanjona mihitsy no tsy AVY HATRANY, dia TSY NOTSIPAHAN’ny Fanjakana Malagasy – ny prezidàn’i Madagasikara sy ny PM ary ny Governemantany – izao FISALOVANANA izao ka nambarany hoe “persona non grata” eto Madagasikara i Chissano sy izay iraka rehetra alefan’ny UA sy/na SADEC hiresaka momba izany [...]

« Fanaovana TSINONTSINONA sy FANAMBANIANA ny VAHOAKA MALAGASY sy ny FIANDRIANANY ny afitsoky ny Fitondrana ankehitriny SY IRETO DEPIOTE manantena ny hahongana ny Fanjakana ara-dalàna amin’ny FANEKENA izao fitsabahana izao sy ny NIVORIAN’izy ireo tany amin’ny BIRAON’NY UA.... ».
(Hotohizana)

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS