Akon’ny Noely
Ny fiangonana no tompon’ny fety
mercredi 26 décembre 2007 |
| 660 visites
Lava dia lava ny andro tsy fiasana tamin’ity andron’ny krisimasy ity ka nahafahan’ireo kristiana sy ny vahoaka nivalampatra nankalazana ny fahaterahan’ny mpamonjy, tamin’ny fomba samihafa. Raha ho an’ny fiangonana FJKM « Ziona Fahazavana » Anosibe manokana dia nanomboka tamin’ny alakamisy ny fankalazana ny krismasy izay nifandimbiasan’ny sampana ao am-piangonana. Saika niravaka tantara sy antsan-kira ireo andro rehetra hatramin’ny alin’ny faha 24 desambra izay nanaovana fotoam-pivavahana manokana. (...)