Vondron’olona any Ambatomanoina
Sady mampiasa ody gasy no maka volabe aman’ny vahoaka
samedi 12 janvier 2008 |
| 990 visites
Manampatra fahefana ireo andian-olona mivondrona ao amin’ny ZAMAMI any amin’ny kominina Ambatomanoina, distrikan’Anjozorobe.
Milaza fa hitandro ny fandriam-pahalemana eny anivon’ny vahoaka ireo andian-jatovo ireo ka manao izay danin’ny kibony. Sady hakàny vola ny vahoaka no hasainy miantoka sakafo sy vehivavy ho an-dry zalahy.
Araka ny vaovao azo dia mampiasa fanafody gasy ry zalahy mba hiarovana ombin’olona hono. Mitaky karama telo tapitrisa Ariary amin’ireo olona izay mampiantrano azy. (...)