Radio Don Bosco
Nofoanan’ny fanjakana ny fandaharana « Karajia »
samedi 19 janvier 2008 |
,
| 1880 visites
Nofoanan’ny minisiteran’ny fifandraisana ny fandaharana « Karajia » ao amin’ny radio Don Bosco izay mandeha manomboka amin’ny 7 ora sy sasany maraina hatramin’ny 9 ora latsaka fahefany eo ho eo. Araka ny vaovao nampitain’ny talen’ity radio tsy miankina amin’ny fanjakana ity dia tamin’ny alakamisy hariva no tonga ny taratasy nandidy ny fampiatoana ity fandaharana «Karajia» ity ka nanomboka omaly zoma dia tsy afaka nandefa io intsony ny tompon’andraikitra. Noho ny antso an-tariby nataon’ny mpihaino izay (...)