Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 9 avril 2026
Antananarivo | 13h17
 

Répondre à un commentaire

9 avril à 11:27 | Vohitra (#7654)

Aleo ho mazava ny resaka !

Ny olomboafidy nametrahan’ny vahoaka fahatokisana irery ihany no manana alalana hitrosa amin’ny anaran’ny vahoaka.

Ny fitondrana vaky tady nilefa nandositra dia efa nampibaby trosa mavesatra ny Firenena nefa marobe tamin’ny vola notrosaina tamin’ny anaran’ny vahoaka no very nanjavona lasa nivadika ho tombontsoa manokana.

Ny fifanarahana nataon’ilay fitondrana nandositra nefa io mbola tohizan’ny fitondrana fanavaozana tsy nofidian’i vahoaka io.

Izay fifanarahana ataon’ny fitondrana tsy voafidim-bahoaka dia TSY anjaran’ny vahoakan’i Zanahary no manefa sy mamerina azy.

Aleo hiavaka ny dette d’État (trosampanjakana voafidy), ny dette de régime (trosa nataon’ny mpitondra), ary ny dette odieuse (trosa manimba sy manandevo).

Ny trosa ataon’ny mpitondra fanavaozana amin’izao tetezamita izao izay hifikiran’ny fanavaozana amin’ny continuité de l’’Etat na fitohizan’ny fitondrana volomboasary dia sokajiana ho "dette de régime".

Anjarany no manefa izany fa tsy nifampierana tamin’ny vahoaka izany, izy rahateo koa tsy voafidim-bahoaka !

Ny mpitondra fanavaozana no mandoa izay trosa ataony eo !

Rehefa tsy mandoa izany izy dia aleo izay hifanosehany any La Haye any rahampitso...

Forum sur abonnement

Pour participer à ce forum, merci de vous connecter avec l’identifiant personnel qui vous a été fourni. Si vous n’êtes pas enregistré, vous devez vous inscrire.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}