Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 4 novembre 2025
Antananarivo | 18h34
 

Répondre à un commentaire

4 novembre à 13:55 | gasy tsotrizao (#3859)

Mila « mihetsika » malaky ny fitondrana ankehitriny sao dia ho maty momoka ny « tolona » natao satria tokoa hoy ny Ntaolo hoe « Ny marina mitavozavoza tsy mahaleo ny lainga tsara lahatra, kanefa ny marina marina ihany »

Eninambifolo taona nanao ny hadalany rehetra lay kary lahy iny, nampiseho ny fahaizany mandahatra ka nahamendrika ny anarany ho Rainilaingarivony. Tsy afaka ny hiala @ io toetra ratsiny io izy ka ny fomba fiady dia samborina sy faizina daholo ny mpanohana azy izay samy nagala-pihinana tao anaty vilanibe Madagasikara ka ny piti-drorany sisany no navelany ho an-dramalagasy. Rehefa izay no vita dia tsy hanana irakiraka intsony izy dia mora samborina satria na ireo malovasalosana aza tsy ho sahy intsony ny anaraka azy.

Maika io ary miara-dalana @ izany koa ny fanarenana ifotony ny firenena ka mila ravana sy havaozina ireo lalàna namoafady ka tsy nahatanteraka ny fitsinjarampahefana toy ny fitsinjarana ny tetibola hatrany amin’ny fokontany fa tsy atao miavosa ao @ ny Ministera isany (indrindra moa ny ao @ ny Finances), ny fandravana ireo fahefana tsy manaja izany (gouverneur) dia toy izany koa ny fanomanana ny fifidianana madio @ ny halalan’ny famaritana marina ny vahoaka ka hiainga @ ny tena fanisana.

Forum sur abonnement

Pour participer à ce forum, merci de vous connecter avec l’identifiant personnel qui vous a été fourni. Si vous n’êtes pas enregistré, vous devez vous inscrire.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}