Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
dimanche 13 juillet 2025
Antananarivo | 08h20
 

Répondre à un commentaire

12 juillet à 17:04 | Rabeanosy (#11701)

Adinon’ny maro ny fitenin’ny Pisodia fahiny manao hoe : « Asa fa tsy kabary ».

Resaka an-jorony :

Natao omaly teto Antananarivo ny famindram-pahefan’ny filohan’ny « Amicale des Anciens Enfants de Troupe » Madagasikara.
Ho hitan’i Madagasikara amin’izay izany hoe « olona mitondra » amin’ny ohatra omen’ny birao vaovaon’io fikambanana io.
Bandy kely AET mpandraharaha izay no lany filoha amin’izao fotoana.
Hanana ny fiantraikany amin’ny fitantanana ny Sekoly io fikambanana io.
Efa mifandray (en vue des opérations de jumélage) amin’ireo Sekoly miaramila EMP (Ecole militaire Préparatoire) sy EMPT (Ecole Préparatoire Militaire Technique) eran-tany ny fikambanana (La Flèche, Autin, Saint-Cyr L’Ecole, Aix-en-Provence, Blois, Cotonou, Dakar, Abidjan, Brazaville) ary hanolotra làlam-pifehezana vaovao ho an’ny Sekoly hifandraika amin’izany.

Hezaka ihany koa ny hifandraisana amin’ireo sekolin’ny « Cadets » amin’ny firenena tsy miteny frantsay eran-tany.

Resaka kolikoly no aroson’ity lahatsoratra ity : koa na ny ho fifaninanana hidirana ao amin’ity Sekoly ity aza dia hezahin’io fikambanana io mba ho tsy ny fanjakana intsony no mikarakara izany fa komity iray tsy miankina ao anatin’ny fikambanana ary miova isan-taona.

Manampahaizana ambony eran-tany maintimolalin’io Sekoly io no hiandraikitra izany fidirana (ny taranja, ny fitsarana ny fanadinana, ny fanadinana am-bava) sy fanaraha-maso ny fampianarana ao amin’ny Sekoly (Taranja jeneraly, Teknika, kilasy fanomanana - PREPA).

Tetik’asa ihany koa ny hanokafan’ny fikambanana Sekoly hafa isaky ny Faritany ary mitovy lenta fa tsy misy ny zanak’ikalahafa : maintimolalin’ny Sekoly no hampianatra amin’ireny.

Tsy ho voatery hiditra any amin’ny AKMIL ny mpianatra mivoaka ao fa afaka miditra amin’ireo Sekoly ambony eto Madagasikara na any ampita rehetra tsy ankanavaka (dokoteram-pahasalamana, injeniera, agronome, gestionnaire, sosiolojia, siantifika isan-karazany, veterinera, construction navale, marine marchande, BTP trano sy làlana sns sns ...).

Ho hita sy irina ireo kinasam-piovana rehetra ireo ary anehoana fa afaka mivaotra sy miaina tsy misy kolikoly ny malagasy tsy vaky volo.
Enga ka tsy ho fialonan’ny fitondrana ankehitrio ...

Forum sur abonnement

Pour participer à ce forum, merci de vous connecter avec l’identifiant personnel qui vous a été fourni. Si vous n’êtes pas enregistré, vous devez vous inscrire.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}