Répondre à un commentaire
Publicité
Articles populaires
Derniers commentaires
- Union européenne – Madagascar : un appui pour les réformes électorales - Elle fait honneur à toutes les personnes de ces pays de merde linges aux (…)
canal baobab 13 - Union européenne – Madagascar : un appui pour les réformes électorales - Caroline Galactéros, née le 10 octobre 1967, est une géopolitologue (…)
tonga soa - Masobe tsy mahita - https://midi-madagasikara.mg/nono-promu-commandeur-de-lordre-des-arts-des-lettre
zanadralambo - Masobe tsy mahita - https://midi-madagasikara.mg/fanirisoa-ernaivo-quatre-barons-de-lancien-regime-d
zanadralambo - Union européenne – Madagascar : un appui pour les réformes électorales - https://www.youtube.com/shorts/5Wpc4R3BqRk
Meuh non c’est pas vrai ... !
Jipo
{#URL_PAGE{archives}}





Fahendrena sy fahaizana :
Tantara iray azo ampiarina ho an’ny malagasy rehetra na aiza misy azy eto amin’ity tany ity.
Momba ny mpiray tanindrazana iray tratran’ny tsy fahazakana ny ati-doha diso feno loatra angamba.
Olona nandoka-tena ho tapi-pahaizana izany olona izany ary milaza foana fa "vitsy hono ny malagasy toa azy".
Taty aoriana anefa dia nampidirina teny amin’ny "Santé Sainte-Anne" tao Paris 14è io olona io noho ny saina tsy nahazaka izay eritreretiny.
Tsy zakan’ny sainy tokoa ary indrindra indrindra ny fieritreretana fa tsy misy mihaino izay lazainy ny olona kanefa izy hono feno hipoky ny "fahalalana". Tena nampalahelo tokoa.
Inona moa no hitantarana ny toe-javatra toa izany eto amin’ity serasera ity ?
Na aiza misy anao eto amin’ity tany ity, na inona fahaizana hanananao, inty mba alalino ny tarigetran’ny mpianatra miaramila kely ao Fianarantsoa manao hoe : "Fahaizana ombam-pahendrena no ahazoana ny Fandresena".
Izany no hitenenako foana ny hoe : "mba ampianaro sy anaro tsara ny ankizy mba tsy hanao adalana" fa rehefa adala ka na tapi-pahaizana toa inona aza dia lasa midina ambany dia ambany anaty ranom-potaka amin’ny farany.
Ny tena loza mihaotr’izany anefa dia ny adala nahazo fahefana ....
Ny hendry no omena hanatra fa tsy ny adala velively.