Répondre à un commentaire
Publicité
Articles populaires
Derniers commentaires
- Îles Éparses : le dossier revient dans l’agenda diplomatique de Madagascar à l’ONU - @ zanadralambo,
Dire que vous avez disséqué ce forum, zanadralambo, en (…)
kartell - Îles Éparses : le dossier revient dans l’agenda diplomatique de Madagascar à l’ONU - Oui rêvez toujours....
Le délire onirique est un bon derivatif....
bekily - Îles Éparses : le dossier revient dans l’agenda diplomatique de Madagascar à l’ONU - Le troll ne connait pas les us et coutumes des vezo et sakakava...
Il ne (…)
bekily - Îles Éparses : le dossier revient dans l’agenda diplomatique de Madagascar à l’ONU - PRESENTER UN RECOURS DEVANT LE TPI
bekily - Îles Éparses : le dossier revient dans l’agenda diplomatique de Madagascar à l’ONU - Bjr Il n’y a jamais eu de pêcheurs malgaches autour des Éparses avant que (…)
vorona
{#URL_PAGE{archives}}





Na dia mba ho fanajana ireo havana navelan’ny maty, sy ireo marobe mbola miady amin’ny aretina ankehitriny, ary indrindra ireo efa ambavahaona miady amin’ny fahasemporana, dia tokony mba hahatsiaro tena ny mpamosavy, tranondainga, mpisoloky, mpisavika, ny sakaizan’ota, ny sodomita…toy itony isandra itony.
Amin’ireo olona rehetra mba hiantsoana fanajana ireo noho ny ady mafy atrehiny ankehitriny, dia voafitaka sy rendrika ary sodoka tao anaty angoantenda famitahambahoaka noho ity ranondolana sy voanjavatra C-VOPLOS ity, dia izao no vokany : ady mihantra aman’aina…sy fandaozana fisarahana amin’ny nofo !
Efa izao no vokatry ny asa ratsy famitahambahoaka, dia mbola sahy manao dokambarotra mandrendrika olona sy mitarika olona hiroboka ao anaty fotaka mandrevo ihany ireto tsy valahara ireto…mba hisarihina ny vola any ampaosin’ireo marivo salosana sisa tavela mbola tsy fay sy tsy nanenina noho ny fanarahana anjambany !
Iza indray hono no tompon’ity orinasa mpamatsy fitaka sy mpivarotra loza ity ?
Koa na dia olona efa dondrona sy kentrina aza ve dia mbola hisy sahy hampiditra vola ao anatin’io amin’izao voka-dratsy naterany izao e ? Ny volampanjakana sisa no atao mangana jifaina ao hisitrahana ambony ampanga fa raha hoe izay tsy miankina, ento aho ry tongotra handositra, iza no adala hanary vola ao !