Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 18 avril 2024
Antananarivo | 08h23
 

Fanambarana

De la désignation du Premier Ministre

Déclaration en malgache du Pr Ranjeva Raymond

vendredi 7 février 2014

Fanambarana (Communiqué) atolotrin’ny Profesora Raymond Ranjeva : 05/02/2014.

Miala tsiny raha heverin’ny sasany fa misososo toa vinanto kely tsy mahare fosa . Tsaroako fa mpampianatra tranainy momba ny lalana, ny fitandroana ny fiadidiana ny vola-panjakana (« finances publiques ») ary ny fahalalana momba ny fitantanana eo amin’ny fiaraha-monina ( « science politique ») aho. Tsy mandry ny eritreritro raha hijery sy hangina manoloana ireo tolo-kevitra handikana ny lalana mifehy ny fanendrena ny ho filohan’ny fitondram- panjakana. Isaorana ireo mpanao serasera fa afaka milaza ny heviny ny tsirairay.
Vaky ny saina : manjaka ny tetika samihafa sy hevi-diso entina higiazana izany fanendrena izany, ary fonosina anaty fandrahonana na hafetsifetsena.
Raha fakafakaina ny teny ampiasaina ao amin’ny lalam-panorenana, na amin’ny teny malagasy na amin’ny teny frantsay, dia tsy ho mora ny fandikana sy ny fampiharana azy.
Tsy nandroso ny firenentsika hatramin’izay, koa tsy maintsy atao ny jery kiana ny fomba narahantsika momba ny fanendrena ny praiministra , sy ny vokany, ary ny fialana amin’izay tsy nety. Nosy ny tanintsika koa tsara raha mba mandinika ny misy any amin’ny firenena hafa ka mahomby (oh. fiaraha- miantsoroka ny fitondrana na « co-gouvernement »), fa tsy maka tahaka na manaiky baiko be fahatany. Ilaina ary ny fahasahiana handinika am-panetretena sy fahendrena ny tena dikan’ny fitsipika ampiharina mba hahombiazan’ny Malagasy.

Raymond Ranjeva

36 commentaires

Vos commentaires

  • 7 février 2014 à 08:56 | ASSISE (#1505)

    Indrisy raMalagasy, iza ireo milaza mahalala (mahay) ny voalazan’ny làlàm-panorenana IV Rép ?

    Mahonenana ny manaraka ny tantara, raha toa tokoa ka io làlàm-panorenana io no fositra (satria hiankinan’ny asa fanaovana pôlitika) hatrizay, dia io izy tsy mbola hay vakiana io.

    Tsy hay vakiana, satria izy rehetra gaigy milaza ho mahay ireo no miady @ fomba hamakiana azy.

    Aleo ary hiomana sahady ny amin’ny rahampitso « vaovao », amin’ny lafiny inona satria ho vaovao daholo izay hitranga eo.

    • 7 février 2014 à 10:03 | Boris BEKAMISY (#4810) répond à ASSISE

      Decidement la COMMUNICATION POLITIQUE n’est pas le fort de Pr RRanjeva ,il tourne en rond , il est INAUDIBLE , bref il est NUL oui Mille fois NUL en politique !

      - Tsy fantatra mihitsy hoe INONA marina no tian’io Rangahy ho lazaina @ fanambarana etsy ambony fa hoatry ny MIMENOMENONA toy ny mahazatra azy foana rehefa miresaka politika io Rangahy io , SA PROPOSITION N’EST PAS DU TOUT EVIDENTE ! NUL !

      - Ankoatry izany , tsy io rangahy io irery fa dia TOKONY HO MENATRA ny MPANAO LALANA MALAGASY REHETRA TSY ANKANAVAKA satria efa REPOBOLIKA EFATRA IZAO dia mbola tsy nahavita NANORATRA LALAMPANORENANA mety ho an’ny Madagasikara foana ry zareo ireo hatrizao , fa faly maka tahaka LALAMPANORENANA FRANTSAY FOANA !

      ( Les juristes malgaches sont la HONTE NATIONALE , depuis 4 republiques ils etaient tous INCAPABLES d’ecrire une CONSTITUTION NON CRISOGENE pour les Malgaches et Madagascar ,ils se contentent de nous COPIER-COLER la CONSTITUTION proche de la constitution FRANCAISE , les juristes gasy ne sont de bandes d’INCOMPETENTS NOTOIRES ) LES JURISTES GASIGASY devraient faire une REFLEXION PROFONDE de cette FAILLITE DE LA JUSTICE MALGACHE.

      On dirait que le BORDEL commence à s’installer encore une fois de plus dans ce Pays après 53 ans d’INDEPENDANCE !

      LAMENTABLE !

    • 7 février 2014 à 10:13 | ASSISE (#1505) répond à Boris BEKAMISY

      Misaotra betsaka

    • 7 février 2014 à 10:20 | ASSISE (#1505) répond à Boris BEKAMISY

      QUI croire ?

      QUI faire confiance ?

      Institutions ou Politiciens ?

      NY resaka copie / coller anie tsy mitombina eto e, tsy fivoarana no mandika izao zavatra lazainao izao.

      Natsangana ny IVe Rép, fa ny Rép notazomina dia ny Ve no henjehina.

      Oh miala any ilay voalazan’i Ra8 izay : Minoa Fotsiny Ihany 2009.

      Le bordel n’y est pas encore, restons imbéciles « éspèrons ».

      Ranjeva ou pas Ranjeva, raha 53 taona izay, mbola manana mihoatra izany isika, aza ianao indray no manakivy eto.

      « Iny làlana iny », tery sy mideza.

    • 7 février 2014 à 10:21 | Rakoto (#358) répond à Boris BEKAMISY

      M. Boris Je ne sais pas si nous avons lu le même texte :

      « Nosy ny tanintsika koa tsara raha mba mandinika ny misy any amin’ny firenena hafa ka mahomby (oh. fiaraha- miantsoroka ny fitondrana na « co-gouvernement »), fa tsy maka tahaka na manaiky baiko be fahatany. »

      Pour moi, c’est clair ce qu’il propose !

    • 7 février 2014 à 10:32 | Boris BEKAMISY (#4810) répond à Rakoto

      Dans l’extrait que vous venez citer Y A UNE MONTAGNE DE CONTRADICTION propre de RANJEVA

      Copier le co-gouvernement de certains Pays, mais ne pas coller le co-gouvernement de certains Pays !

      Vakio tsara indray mpandeha de ho hitanao ny OCEAN DE CONTRADICTION !

      Asa ny co-gouvernement à l’ITALIENNE no tian’ingahy Ranjeva holaina tahaka ary ny crise politika lavareny any ITALIE no tiany haondrana !

      Nandra ! tena Nandra !

    • 7 février 2014 à 11:40 | Beandroy (#3943) répond à Boris BEKAMISY

      Salama Ragnitse !

      Tu as raison Bekams ! Ce Monsieur a apparemment besoin qu’on parle de lui ; peut-on parler pour ne rien dire ?

      Je vois déjà ses inconditionnels qui trouvent cette déclaration très intelligente.

      Je trouve que ce Monsieur n’est pas si brillant qu’on veut le faire croire et ça a occupé le poste de Vice-président de la CIJ à la Haye !!! Je comprends mieux maintenant pourquoi la CIJ n’arrive pas à régler les conflits juridiques soumis par les Etats.

      Le Professeur Ranjeva voudrait sortir du cadre constitutionnel pour la désignation du Premier ministre ; est-ce que c’est ça sa conception de la démocratie ou est-ce plutôt un étalage de son incompétence !!! Heureusement que le ridicule ne tue pas car par ce communiqué ce Monsieur pourrait être poursuivi pour incitation à la violation de la Constitution qui règle déjà à travers l’article 54 le problème de désignation du Premier Ministre.

      Quel gâchis,tout ça pour ça !!!

    • 7 février 2014 à 11:53 | Boris BEKAMISY (#4810) répond à Beandroy

      Je me demande encore et toujours Beandroy qu’est ce qu’il arrive AUX INTELLOS de ce Pays ?

      A lire le DOMINICHINI là l’Editorial et le RRANJEVA ici , on peut de deduire que les INTELLOS MALGACHES ONT DE SERIEUX PROBLEMES pour avançer à chaque fois DES OCEANS DE NULLITE PRESQUE SYSTEMATIQUE !

      N’en parlons plus leur INCAPACITE à GOUVERNER.......!

      Et on s’etonne de la CRISE LAVARENY !!!

    • 7 février 2014 à 13:11 | Lekivy (#1953) répond à Boris BEKAMISY

      Cher Boris,

      Comme toi, je suis également perplexe quant au sens de la déclaration du Prof. Il nous laisse sur notre faim car l’opinion publique attend actuellement des juristes une explication objective et claire du sens des articles dans la constitution relatifs à la nomination du PM de la 4° république.
      Heureusement, il y a des gens comme le Pr Honoré Rakotomanana qui est beaucoup plus explicite dans ses explications.
      Maintenant, nous savons comment nos politiciens sont très habiles dans la manipulation des textes à leur propre avantage, alors la HCC doit vite trancher sur cette question en essayant d’être le plus objectif possible.

      L’enjeu est de taille car de la désignation du PM dépendra la stabilité du nouveau régime. En tout cas le paysage politique actuel donne le vertige. On ne sait plus qui est avec ou contre qui et surtout pourquoi.

    • 7 février 2014 à 15:19 | Mdg fanorenana (#8171) répond à Boris BEKAMISY

      Boris BEKAMISY !
      Angamba tsy azonao ny tian’ny profesora ambara. Mazava ny zavatra voalaza ary tamin’ny teny malagasy rano iray tsy misy vary amin’anana.
      Voalaza mazava tsara ao anatin’ny fanambarany fa tsara raha mba mahay maka tahaka ny « nahomby » tany ivelany isika Malagasy fa tsy mandika be fahatany satria izay no tsy nety hatrizay.
      Heveriko fa tsy manampy antsika mankany @ fandrosoana ny fitsikerana ny olona. Angamba ny hevitra no tsy motocyclettes ka amiko mila ovaina izany fomba fanao izany.
      Farany, mba angatahina raha mety tompoko ny tsy hanaovana vary amin’anana rehefa manao famelabelaran-kevitra eto satria tsy mendrika ny tenintsika ary koa manamarika ny TSY fifehezantsika tanteraka ny tenin’ny hafa.
      MISAOTRA TOMPOKO

    • 7 février 2014 à 15:32 | Mdg fanorenana (#8171) répond à Mdg fanorenana

      *Ny hevitra no tsy mitovy.

    • 7 février 2014 à 16:50 | Boris BEKAMISY (#4810) répond à Mdg fanorenana

      Hay ve ka tsy MAMPANDROSO NY MITSIKERA OLONA ??

      - Ny tsikera be loatra nahazo an-dRajoelina nataon’i RRanjeva izany no sakana ny fampandrosoana teto , sa disobe mihitsy RRanjeva nitsekera andRajoelina

      - Na koa misy karazan’ olona tsy azo tsikeraina mihitsy eto Madagasikara na de manondrana sy mivaralila MISENTOSENTO SY MIHAIHAY FOTSINY NO MBA HAINY !!!

      ny vary amin’anana kosa aloha de matsiro ee ! anontanio RRanjeva !! Fa saingy tsy ANY MIHITSY NO OLANA fa aza avilivily ny resaka !!

    • 7 février 2014 à 17:08 | Mdg fanorenana (#8171) répond à Boris BEKAMISY

      Eny tompoko ! Tsy mampandroso ny mitsikera olona be fahatany. Raha toa ka nanao izany Andriamatoa RANJEVA dia diso tanteraka izy satria tsy ny olona no enjehina fa ny fomba fanaony na ny heviny.
      Eto anefa dia tiako ny manamarika fa ny fomba nangalan’Andriamatoa RAJOELINA ny fitondrana tsy nifanaraka tamin’ny lalam-panorenana fahiny no nokihanin’ny profesora hatramin’izay. Eo ihany koa ny gaboraraka teo amin’ny fomba fitantananana nisy tamin’ny tetezamita ka nampilatsaka misimisy kokoa hatrany ny Malagasy anaty kizo lalina. Angamba miara manaiky amiko ianao fa niha nahantra ny Malagasy nandritra izay dimy taona izay.
      Ka inona no andrasana ? Soso kevitra avy aminao, avy amin’Andriamatoa Ranjeva (izay marihina fa efa nanome ny azy. Tsy voatery ho tsara hatrany), avy amintsika tsirairay avy entina mampivoatra ny foto pisainana Malagasy.
      Ka eto aho dia manontany anao ary, inona ary no mety hevitrao entina mampandroso ny firenena iombonantsika ?

    • 7 février 2014 à 19:43 | zanadralambo (#7305) répond à Boris BEKAMISY

      S’il y a un nul ici, c’est bien vous. Toujours à rabaisser, c’est tout ce que vous savez faire. Vous n’avez même pas cherché à comprendre, à lire entre les lignes. Ce n’est pas tellement votre faute, les quelques capacités intellectuelles dont le sort a bien voulu vous doter sont trop en-deçà de ce genre de discussion. Arrêtez de vous rendre ridicule, vous êtes pathétique.

      Cela dit, je salue bien bas mon ancien professeur de finances publiques. Son enseignement a forgé l’étudiant que j’étais, le citoyen que je suis devenu. La rigueur de ses cours, j’espère, aura servi de modèle aux jeunes générations qui ont pris sa suite à la faculté de droit d’Antananarivo.

    • 7 février 2014 à 20:21 | Miova (#8173) répond à ASSISE

      Marina nenao ASSISE.Tsy ny fanovana lalampanorenana metimety amze mpitondra eo akory no hampandroso an Malagasy fa ny fanarahana ny fitsipika sy ny rafitra antsakany sy andavany.Porofo:efa ho 200 taona anie ny lalampanorenana Amerikana tsy niove !toy izany ny Frantsay fa izay filoha tonga dia mampihatra antsakany sy andavany ary manao ny asa fampandrosoana ny firenena fa tsy mijery ze mahasoa ny antokony nany fianakaviany akory.Zay no mampandroso anreo firenena ireo.Rehefa apetraka fa ambony noho ny antoko sny manodidina ny fampandrosoan n firenena de mety foana ny fiarahmiasa.

    • 7 février 2014 à 23:17 | Beandroy (#3943) répond à zanadralambo

      Et qu’est-ce que vous êtes devenu ? Laissez-moi rire car si je ne sais pas lire entre les lignes, je sais au moins deviner entre les lignes…

    • 8 février 2014 à 11:40 | gasymahiratra (#8130) répond à Boris BEKAMISY

      Miombo-kevitra tanteraka aminao ! Misaotra betsaka !

    • 8 février 2014 à 18:39 | zanadralambo (#7305) répond à Beandroy

      Sans rire ?

  • 7 février 2014 à 09:02 | rakoto (#8169)

    Raha ny amiko manokana dia mila ampianarina mitsy aloha ireo atao hoe olom-boafidy(depute)ireo @ izany atao hoe « politika » izany.Fa misy ny tsy mahalala akory ny tokony hataony fa ny seza ihany no fantany(bizina).Ka tsy handroso na oviana na oviana ny firenena raha izao foana no mitohy.Ataoko fa maro @ ireo politisianina no efa nivoaka tany ivelany mahalala ny fandrosoana misy any @ tanin’olona na dia etsy afrika fotsiny aza(dia mitsiriritra fotsiny ve ?).
    Raha ireo zoky olona zay efa nitondra ny firenena no tompon’antoka t@ tsy fandrosoana dia aleo kosa mba ho tonga saina fa tsy ny ratsy no hifaninana.

    Masina ny tanindrazana.

  • 7 février 2014 à 09:41 | bema (#828)

    Ireo mpitondra akehitriny ireo sy ny tompnandraikitra ambony rehetra dia nahazo fampianarana sy fitaizana tamin’ny andro sy fitondrana taloha.Anisan’ny mpanabe tamin’izany ianao atoa Ranjeva ka ireo no vokatry ny tany. Tena latsa-paka ao amin’ny tsy iray iray ny fitiavan-tena ary ny tena ratsy dia eo amin’ny lafiny politika no iharan’izany mafy indrindra. Hejehina ny mpitondra vaovao nefa mbola tsy nisy akory fotoana niasany. Soa re ny Mpanohitra be fahatany kosa no fototry ny olana ? Misaotra tompoko

    • 7 février 2014 à 10:11 | ASSISE (#1505) répond à bema

      Ny fampianarana na ny tsy fahampian’ny fampianarana tany an-tsekoly ve no fositr’izao fitondran-tena izao ?

      Sa ny fihodin’ny fiaraha-monina no fositr’izao fitondran-tena izao ?

      Fanontaniana azo hapetraka ve ?

      Ny « be fahatany » araka ny filaza eto dia vokatra azo avy ami’ny iray na izy roa mitambatra amin’ireo fanontaniako ireo.

  • 7 février 2014 à 10:48 | valoha (#7124)

    Isika Malagasy dia manana olona mahay, na lalana na injeniera na sientista isan-karazany. Tsy vitan’ny hoe mila mihainga any ifotony ny fitantanana raha2-pirenena fa mila mifototra @ fisainana Malagasy Marina, mila mivoaka @ maha-Malagasy fa tsy zatra lava ny mandika ny avy any lafrantsa na izay modely hafa. Mety any @ ireny tany ireny angaha ny azy, fa mety tsy ety eto amintsika satsia foto-pisainana Malagasy sy fiaraha-monina Malagasy no eto. Tsy nahahomby, ary tsy hahomby velively na io Lalampanorenan-tsika io satria tsy mitsinjo lavitra, tsy mijery ny tena hetahetan’ny Malagasy no takian’ny lalana fa an’olom-bitsy. Novolavolaina ho an’olom-bitsy, ary matoa misy tsikera toy izao avy @-na mpanao lalana dia misy toakoa ny tsy lavorary. Ny rafitra misy eto @tsika mihitsy no mila miova ifotony, mila hampiarina haigana ny fototra Fihavanana, Fiarahana misalahy toy ny asa vadi-drano, ny tsy fanaovana zanakn’i Kalahafa ny Faritra rehetra misy eto. Hahomby tokoa ny Lalampanorenana raha mandinika sy manapaka fa tsy tokony ho ny filoha na izay priaministra ho avy eo no hanana ny teny farany sy hanapaka farany ny raha2 rehetra eto @ Firenena. Io no efa nahavoa hatr’izay. Mila mamorona Andrim-panjakana hiarahana 3 mitovy lenta ny Malagasy hanapaka ny raha2 toa ny sisin-tany, harena, politika anatiny sy ivelany(fitakiana iretsy nosy kely manodidina antsika), tafika, polisy, zandary, fahasalamana,...Ny ministera isany dia hanohy ny asany, fa kosa hiaraha-manapaka farany @ ny andrim-panjakana ambony vaovao(dia ny fivondronan’ny Ampanjaka ny voalohany - foko 18 ; ny Solombavambahoaka vaovao ny faharoa - faritra 22 ; ary ny Teknokraty voafidy isam-paritra ny fahatelo). Ireo solon-tenan’i Gasikara telo ambony ireo no samy mandinika sy manapaka farany. Raha mitovy ny marimaritra hiraisana dia - LANY izay no dikany. Raha tsia - dia tsy lany ary tsy ho tapahina(toy ny fitrandrahana ny harem-pirenena, ohatra). Hampandroso antsika malaky tokoa raha mijoro ny Lalampanorenana vaovao misy ireo Andrim-panjakana vaovao an-tampony ireo. Tsy ny olo-mahay akory no hanafaka antsika @ izao fahasahiranana mafy izao fa ny mahay sy ny hendry miaraka !!! Koa antsika rehetra mandinika sy mitsako !!!

  • 7 février 2014 à 14:30 | hafatra (#1895)

    Ho an’i Bekamisy

    Asa na manana fasahiranana ianao mamaky teny malagasy na tsia , fa ny zavatra voalazan’Atoa Ranjeva dia mazava . Maneho ny ahiahiny izy araka ny maha-olona manana traikefa azy .

    Tsy manome zo anao anefa izany tsy fahaizana izany hanabanty azy sy hanenjika azy.

    Ianao marina no vinanto kely misosososo tsy mahare fosa.

    • 7 février 2014 à 14:50 | Boris BEKAMISY (#4810) répond à hafatra

      Hafatra ho an’i Hafatra !

      Miala tsiny fa Tsy mila NY AHIAHY ny Prof RRanjeva ny Vahoaka Malagasy !!

      Satria MANAMPAHAIZANA VATO ANSONDRITRY NY TANY EFA NIASA TANY @ SEHATRA IRAISAMPIRENANA IZY dia :

      - VAHAOLANA MAZAVA MATOTRA AZO AMPIHARINA avy hatrany no ilain’ny Firenana aminy fa tsy AHIAHY TSY INANANKANINA

      - Ny MPITARIKA POSY koa anie ka MANANA AHIAHY EE ! Ka hilahatra amin’ny Mpitarika posy ve ny MANAMPHAIZANA toa an-RRAANJEVA !

      Encore une fois votre RRANJEVA me deçois à chacune de sa sortie politique , na eo amin’ny VOTOATINY ZAVATRA LAZAINY IZANY na koa eo AMIN’ny FOMBA FANAOVANY COMMUNICATION POLITIQUE !

      On veut plus de substance dans la proposition de RRANJEVA plus que l’habituel BAILLEMENT POLITIQUE qui ne mene en rien !

      Tsy manenjika azy be fahatany izahay fa mila zavatra MATOTRA kokoa avy aminy amin’ny mahamanampahaizana manerantany azy !

      Mazava aminao kosa izay !

    • 7 février 2014 à 16:01 | hafatra (#1895) répond à Boris BEKAMISY

      Ho an’ i Bekamisy,

      Ny fananana ahiahy dia mampiseho fahendrena sy traikefa . Ny fiheboheboana fa manana ny marina mafy fototra dia taratry ny tsy fahampian’ny fisainana.
      Tena mahalala marina izay ilain’ny vahoaka ve ianao ? Iza moa ianao no toa miana-kendry mahalala an’izany 100% ?

      Ny serasera apetran’ Atoa Ranjeva dia mazava na dia ho an’ny olona manana CEPE fotsiny aza.

    • 7 février 2014 à 16:27 | Boris BEKAMISY (#4810) répond à hafatra

      Hay ve ka tsy mahalala 100 % ny lalàna fanendrena PRAIMINISITRA indray ingahy RRanjeva ! ka AHIAHY SISA MBA ISENTOSENTOANY !

      Mitovy aminay badraodra tsy manana CEPE ihany izany izy § !!!

      Ny FITONDRANA NA NY VAHAOLANA ILAIN’ny FIRENENA ANEFA DIA TSY VITAN’ny SENTOSENTO SY AHIAHY FOTSINY KA EO INDRINDRA NO OLANA !!!

      mba hevitray tsy manana CEPE izany fa asanareo TAPIPAHAIZANA BE AHIAHY SY BE SENTOSENTO !!

    • 7 février 2014 à 17:33 | tononkira (#3592) répond à Boris BEKAMISY

      Soa fa mahay manisa RaBekamisy na tsy manana CEPE aza. Mahalala tsara ny atao hoe kajy politika entina manatsara ny fomba fitondrana sy itadiavana ny vaha-olana ilain’ny firenena.

    • 7 février 2014 à 19:56 | zanadralambo (#7305) répond à hafatra

      Ka tsy te hahalala i Bekamisy, ry namana Hafatra. Ny hitsikera fahatany ny mba hain’ io olona io. Na tsy azony loatra aza ny tena votoanton’ny lahatsoratra, dia avy hatrany tsy mainty maneho ny saim-pantany i leroa. Na inona resaka mivoaka, na inona ady hevitra atao, tsy maintsy mivovo i Bekamisy, raha tsy izany angamba tsy heverin’ny mpamaky isany fa nandrato fianarana lavitra.
      Mba tonga saina fotsiny ve i Bekamisy fa mitady ny hamitaka indray ny vahoaka i Rajoelina sy ny forongony. 5 taona izy no nisandoka ny fitondrana, 5 taona nitondrany ny tany sy ny fanjakana tany an-kady. Dia tsy mba mahalala menatra ve, mbola midrikina hoe mahavita azy, hoe avelao izy hamita ny asa natombony. Ny asa ratsiny angaha ?
      Mba zanak’Imerina ihany, dia tsy mahatao tody tahaka izao, manimba sy mamosavy ny hoavin’ny taranaka navelan’ny razany !!!

  • 7 février 2014 à 15:05 | plus qu’hier et moins que demain (#6149)

    Bonjour et bonne journée à tous.

    On n’a qu’à demander à notre ami Jansi d’expliciter la présente pensée VONJY AINA du VP du CIJ.
    Heureusement que cette communication est faite en malgache et adressée au malgache béni oui-oui.

    JANSI SOS CAR ON N’ARRIVE PAS A COMPRENDRE LA COMMUNICATION DE VOTRE GOUROU.

  • 7 février 2014 à 18:03 | diego (#531)

    Bonjour,

    Beaucoup de Malgaches, surtout la majorité ceux qui ont voulu et participé à l’élection présidentielle et aux élections législatives de 2013, cherchent absolument donner un sens à des élections pensées et organisées par des cervelles étrangères ! Il est donc un peu normal que beaucoup des Malgaches cherchent encore le pourquoi de comment de ces élections.......élections qui ont visiblement n’ont pas atteint leur objectif !!!!

    Il faut aller interviewer Mme Samoura et Mr Chissano pour bien comprendre le sens et les vraies raisons de ces élections, ils savent, EUX !!!

    Vous pensez que les élections de 2013 ont été organisées pour vos beaux yeux ? Vous pensez que c’était par amour pour vous ? Vous pensez que c’est pour l’avenir de vos progénitures ? Regardez-vous, qu’est-ce que vous êtes en train de faire en ce moment alors que vous venez, soi-disant, élire votre président et vos futurs législateurs :

    - personne n’est en mesure de savoir comment et qui ferait un bon premier ministre. Rassurez-vous, à Paris, New York et même Mme Samoura et Mr Chissano savent déjà qui est cette personne !!!!

    On a dupé votre pays et dans tout le côté svp, depuis cinq ans. En 2013, vous allez encore vous faire duper :

    - Madagascar va se faire niquer dans les années à venir, mais ce pouvoir et ses alliés et leurs admirateurs ne sentiront rien.

    En ce qui concerne le peuple, la moitié des inscrits aux élections de 2103 ont refusé de se faire niquer, ils ont vu venir, à temps, les baveux......

    Votre président était un type qui fait partie de l’équipe de l’ex-DJ. Dans quel état est Air-Mad ? Les caisses de l’État malgache sont vides ! Il n’a pas un parti politique solide, regardez les résultats de législatives ! Il va gouverner avec quel parti politique ? Ses ex-amis et qui d’autres :

    - et c’est cela les changements dont votre pays a besoin ?

    Nous sommes dans une Transition Bis et elle est bien reconnue !

    La question qui mérite d’être posée est alors de savoir si la Transition que Mr Hery va diriger serait capable de pacifier le pays afin de pouvoir organiser des élections fiables et acceptables par tout le monde dans les mois à venir ?????

    Regardez-vous :

    - discutez-vous de l’avenir de votre pays. Justement, les caisses sont vides, cela ne vous inquiète pas ? Vous mangez peut-être, mais la majorité de vos compatriotes, mangent-ils à leur faim, ont-ils les moyens de se soigner, ont-ils le moyen de penser, même une seconde à l’avenir de leurs progénitures ?

    Madagascar est pauvre, mais cela ne peut pas nous empêcher d’être DIGNES !

    • 8 février 2014 à 11:39 | Razaka (#7817) répond à diego

      Salut Diego
      Toujours aussi pertinent mon ami Diego.
      Comme vous dites la dignité doit être de mise. Donc le combat vers plus de démocratie doit continuer, même si celle-ci n’est encore achevée nulle part.

      Juste un truc Diego. Il vaut mieux ne pas trop utiliser le terme ´´niqué´´.
      Pourquoi car cela risque de faire trop mal, surtout aux innocents.

      Bonne journée cher Ami

  • 7 février 2014 à 19:20 | Vohitra (#7654)

    Miarahaba Tompoko, Mbola Tsara,
    Vahaka ny saina eo amin’ny fandinihina ity lahatsoratra navokarin’Atoa Profesora Ranjeva ity.
    Famakiana tsy misy tomika sy famborahana ny hevitry ny lalàna voafono ao amin’ilay andininy faha 54 ao amin’ny lalàmpanorenana manankery no fototry ny adihevitra, indrisy, i Profesora noheverina ho voarabe endriky ny saha no indro fa tsy nivimbina vaha olana fa lasa toa nionona fotsiny amin’ny fibabena ahiahy imasom-bahoaka.
    Ny hevitrao mikasika io andininy iray io Profesora dia mety hahasoa ny firenena raha hifampizarana amin’ny hitsimpo.
    Mankasitraka Tompoko.
    « Tsy misy ombalahy roa am-bala » hoy Ny Ombalahibemaso.

  • 7 février 2014 à 20:56 | kunto (#7668)

    KUNTO ny PATRIOTE GASY d’ANTANANARIVO :
    Il y a des familles - des conseillers - qui doivent quitter la sphère « politique » pour le bien du peuple , ils conseils depuis 53 ans et regardez l’état de MADAGASIKARA , a bon entendeur salut !
    QUE DIEU NOUS GUIDE .

  • 8 février 2014 à 05:59 | NY OMALY NO MIVERINA (#1059)

    Pr Ranjeva Raymond est courtois comme d’habitude. Normal qu’il prend de la hauteur et de la dignité mais ...

    Seulement et malheureusement, il ne fait de la politique que ponctuellement comme les constatations, observations et remarques du S.E.C.E.S.

    Ce sont des intellos dotés de connaissances et de bons raisonnements, seulement ils sont comme les Suisses.
    A force de réfléchir, d’analyser, de comparer, ... (le propre des intellos ...), ils sont TOUJOURS EN RETARD d’une bataille mais peut gagner la guerre. Ils ne prennent jamais de risques ... En prime, leurs propos ne sont pas toujours à la portée de la masse ...
    Il faut avoir au moins Bac + 4 ou 6 pour les comprendre ...

    Vraiment désolé de m’adresser ainsi à des enseignants dont le but est de communiquer, de faire savoir le savoir. C’est désolant !
    Mais où vont nos jeunes étudiants et le Vahoaka à votre écoute ?

    Ce qui est sûr :

    Le Président Hery Rajaonarimampianina, quelle que soit sa volonté, compte tenu de l’ampleur de ses responsabilités,

    - se garde de l’uchronie,
    - évite de procrastiner.

    C’est l’esprit de son discours d’investiture en tant que Président de tous les Malagasy et de M/car pour nous sortir de cette situation que nous ne méritons pas depuis des lustres.

    C’est clair et net.

    Veloma tompoko !

    • 8 février 2014 à 08:36 | ASSISE (#1505) répond à NY OMALY NO MIVERINA

      Ce qui est sûr :

      Le Président Hery Rajaonarimampianina, quelle que soit sa volonté, compte tenu de l’ampleur de ses responsabilités,

      - se garde de l’uchronie,
      - évite de procrastiner.

      C’est l’esprit de son discours d’investiture en tant que Président de tous les Malagasy et de M/car pour nous sortir de cette situation que nous ne méritons pas depuis des lustres.

      C’est clair et net.

      ==> Aiza ho aiza izany no misy ilay hoe : MINOA FOTSINY IHANY araka io voalazanao hoe : « . . . l’esprit de son discours . . . », lequel discours dont aucun Pdt, qui qu’il soit, ne pourra s’en passer.

  • 8 février 2014 à 10:05 | jansi (#6474)

    Les données de la Ci restent inchangées même si les élections présidentielles et législatives sont terminées. Le Ni Ni est toujours en vigueur. Les deux extrêmes MAPAR et Mouvance R8 seront écartés ninoninona hitranga.

    De même, la charte de Cotonou sera appliquée implacablement. Ceux qui ont participé au putsch seront écartés de la conduite de la IV république.

    Enfin, une petite réflexion, pas si difficile que cela, pour comprendre que la somme des députés, tous élus en moyenne avec un score de 15% et même certains au plus fort reste, ne vaudra jamais la légitimité du président de la république élu au suffrage universel sur l’ensemble du territoire a la majorité absolue de 53%.

    Maintenant, pour tous les esprits déroutes de la situation actuelle, je vous laisse déduire sur la composition du gouvernement et la désignation de son chef par le président de la république. Pour vois éclairer un peu, l’arithmétique de la composition de l’assemblée nationale ne peut pas régler les multiples dimensions de l’équation politique. Ce serait trop a la portée des petits comme ce sinistre personnage qui aspire a devenir malamahead , mais en vain.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS