Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 25 avril 2024
Antananarivo | 20h27
 

Malagasy

Faritra Alaotra Mangoro

Voasoloky ireo tantsaha mpamokatra

lundi 6 octobre 2008 | Njaka

Misy fikambanana tsy miankina amin’ny fanjakana na ONG misoloky ao tanambe, distrikan’Amparafaravola, faritra Alaotra Mangoro. Miara-miasa amin’ny federasion’ny fikambanan’ny tantsaha izy ka naka vola iray tapitrisa ariary isaky ny fikambanana hividianan fitaovam-pamokarana toy ny kibota. Efa tamin’ny taon-dasa no nitrangan’izany. Iray volana ihany anefa no fepotoana nolazain’ity ONG ity fa hahatongavan’ny fitaovana kanefa tsy misy hatramin’izao. Nolazainy fa efa ao amin’ny ministeran’ny fambolena sy fiompiana avokoa ireo fitaovana ireo. Tsy misy akory izany rehefa nojerena tao amin’ny minisitera.

Nitaky ny hamerenana ny volany ireo tantsaha rehefa tsy azo ny fitaovana. Nanome taratasim-bola any amin’ny banky na chèque ny tomponandrikitra kanefa tsy misy kaonty akory ilay banky. Manao antso avo ny manam-pahefana ny solombavambahoakan’Amparafaravola, Randriamboahangy Félix mba hijery akaiky izao raharaha izao fa mijaly ny mponina.

Manomboka mitaky ny volany koa ankehitriny ireo sehatra (toy ny Otiv) nisamboran’ny tantsaha ny vola mba hamenoana ilay iray tapitrisa ariary.

Tsy ny ao Tanambe ihany no nisamndohan’ity Ong ity fa hatrany Andilamena koa. Ny faritra Alaotra Mangoro ihany koa efa nangalàny vola araka ny fantatra. Saika hanaganana toha-drano izany kanefa tsy misy akory hatramin’izao.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS