Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 26 avril 2024
Antananarivo | 21h07
 

Malagasy

Hery Rafalimanana : Ambohimanarina

Vita alohan’ny faran’ny taona ny tsena

jeudi 6 décembre 2007 |  374 visites  | Hery A.

Natolotry ny kandida Hery Rafalimanana ny vahoaka ny programan’asany isaky ny fokontany izay nambarany moa fa fantany avokoa ny mahakasika ireo fokontany ireo. Teny Ambohimanarina ity kandidan’ny TIM ity omaly maraina ka nampanantena ny olona ny hahavitan’ny tsena alohan’ny faran’ny taona. Ny fananganana sy fanatsarana fotodrafitrasa no sahanin’ny kaominina hoy atoa Hery Rafalimanana ka aoka tsy ho voafitaky ny kandida hafa ny mpifidy. Tsy nisalasala nilaza ny zava-mahory azy ny mponina rehefa nidina teny Soavimasoandro sy Ankeniheny ny kandida, nitety ireo tokantrano amin’ny faritra iva. Anisan’ny efa nahazo efitrano sekoly tamin’ny PDS Rafalimanana ny EPP eny an-toerana ary mbola nampanantenain’ny kandida fa hamboarina ny tetezana sy ny kianja ho an’ny fanatanjahantena. Ny mahakasika ny jiro kosa moa dia tsy asan’ny ben’ny tanàna saingy nampanantena ny kandida fa hanaiky ny fangatahana ny fitondram-panjakana izay nambarany fa tombony ho an’ny kandida. Nihaona tamin’ireo mpiasan’ny orinasa afakaba teo Andranomena ny kandida avy eo ka nampanantena azy ireo amin’ny fiainana ara-tsosialy. Ny tolakandro kosa dia mbola nitety ny firaisana voalohany ny kandida ary nahavory olona teo Ambohijatovo. Ny fifandraisana isam-baravarana moa dia tsy ankiato.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS