Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 29 mars 2024
Antananarivo | 11h40
 

Malagasy

Hevitra

Tsy te-hahalala hoe !...

jeudi 27 décembre 2007

« Raha ny fomba fiteny malagasy no jerena dia hita fa henjana tokoa izany fanambaran’ny filoha Ravalomanana izany ary tsy azo ifampiraharahana mihitsy. Fa iza aloha no nanao ny tsy nety teto amin’ity firenena ity e ? Ireo Malagasy izay nampahantraina ve ? Sa ireo mpitondra vitsy an’isa nampihatra izany politikam-pitondrana ho amin’ny fampahantrana izany ? Raha izay moa no heverin’ny mpitondra ity firenena ity fa mendrika ny Malagasy dia azy izany. Tsara amintsika vahoaka kosa ny mamantatra tsara ny tantaran’ity firenentsika ity sy ny mety ho andraikitra ho raisin’ny tsirairay avy mba ho fampivoarana ny firenena iombonana. Raha tsiahivina dia tsy nisy mpitondra teto Madagasikara ka tsy tamin’ny alàlan’ny hetsi-bahoaka no nahazoany ny fitondrana (Repoblika faharoa sy fahatelo.), afa tsy i Tsiranana izay napetrak’ny vazaha tamin’ny Repoblika voalohany.

Misy antony marim-pototra anefa ao matoa ny vahoaka mihetsika satria efa tafahoatra loatra ireo fanaovana zinona ny hasin’ny vahoaka Malagasy ka miteraka tsy fitoviam-pijery intsony eo amin’ny mpitondra sy ny vahoaka. Voatery arak’izany ireo vahoaka maneho ny alahelony sy ny hetahetany na « Tsy te hahalala aza » ny mpitondra satria mahatsiaro ho voahosihosy ny fiandrianany izay miantraika any an-tokonambaravaran’izy ireo tsirairay avy. Tsy hay tohaina izany hetsika izany rehefa tonga eny fa na dia manana ny herim-pamoretana aza ny mpitondra nifandimby hatramin’izay. Tsara ho marihina anefa fa noho ny herisetra samy hafa izay nataon’ny mpitondra mpiakin-doha amin’ny any ivelany hatramin’izay no nahatonga ny vahoaka hihetsika sy hitady fandaminana vaovao eto amin’ny firenena.
Koa lesona ho an’ny mpitondra mahalala sy misaina ny zava-nisy teto amin’ny firenena hatramin’izay fa azy raha « Tsy te hahalala izy ». Nanao izany i Tsiranana tamin’ny 1972 : “tsak. Tsak” Zato, Arivo », nefa nirodana ihany izy, namono olona Ratsiraka tamin’ny 10 aogositra 1991 sy tamin’ny 2002 nefa niala ihany, hiroso amin’izany koa ve ity fitondrana ity ?... Fa raha ny hevitry ny « Otrikafo » manokana aloha dia ilaina ny mihaino ny feon’ny vahoaka rehetra satria ny feom-bahoaka dia feon’Andriamanitra. Raha toa moa ka feno indray ny kapoaka ka tsy maintsy ho tonga amin’ny fandaminana vaovao indray ny vahoaka, ny « Otrikafo » dia ho eo an’ivon’ny vahoaka mandrakariva ary vonona ny hiaro ny tolon’ny vahoaka Tia Tanindrazana ho amin’ny fanajana ny Fiandrianam-pirenena tsy miakin-doha ary tsy hanaiky intsony ny fanodikodinana ny tolona mba ho tombontsoan’ireo vahiny mpanjanaka sy ireo Malagasy mpiray tsikombakomba aminy toy izay efa nitranga hatramin’izay (1972, 1991, 2002) ».

Masina ny Tanindrazana.

Ny Otrikafo

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS