Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mercredi 1er mai 2024
Antananarivo | 14h53
 

Malagasy

Fifamoivoizana eto an-drenivohitra

Tsy misy mpiraharaha ny lalàna

samedi 12 avril 2008 |  406 visites  | Hery A.

Mitohy ny fanadiovana ataon’ny kaominina Antananarivo renivohitra, ka ny famoahana lalàna mahakasika ny fifamoivoizana indray no imasoana. Efa resa-be teto an-drenivohitra ny lalànan’ny fifamoivoizana saingy toa niha goragora indray taorian’ny nandraisan’ny ben’ny tanàna vaovao ny toerana.

Asa aloha izay antony, fa niaraha-nahita ny sakatsakana, saingy efa nampoizina hatramin’ny nanaovana propagandy izany. Na izany aza dia nahazo famatsiam-bola ny kaominina.

Tsy nasian-dresaka aloha ny lalàna navoakan’ny kaominina, fony nentin’atoa Rafalimanana Hery. NY hany misongadina amin’izao fotoana izao dia samy tsy misy miraharaha ny lalàna na ny mpitondra na ny entina.

  • Hanohy asa sa hamorona fandaniam-bola ?

Tao ny fitaratra miloko, izay noraràna ny fampiasàna azy. Toa misy mahita lalàna vaovao indray ka toa hoe ny fitaratra anoloana ihany no tsy azo lokoina. Dia feno tokoa eny an-dalam-be eny izao. Tsy misy mpandrara ka manaram-po. Ny fehikibo moa dia efa samy manao izay tiany. Zara raha misy kofehy mainty hiantsorohana dia mety. Tsy miaro amin’ny loza akory. Tsy voasava intsony koa ireny. Ny mpitondra « scooter » koa dia toa mahazo tsy mampiasa « casque ». Ny mpamily fiara mampiasa finday dia toa ny lalàna fotsiny no napoapoaka fa ny fampiharana ny sazy no tsy misy. Raha amin’izao no ampiharina ny lalàna dia ho voasazy avokoa ireo mpanana fiara.

Manamasina ny heviny ny mpitantana mifandimby. Ny takela-by indray no laharampahamehana ho an’ny kaominina amin’izao fotoana izao. Ireo vitan’ny teo aloha moa toa nosomparan’ny mpangalatra, nefa nanarapenitra tokoa.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 

Archives

mai 2024 :

Rien pour ce mois

avril 2024 | juin 2024