Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mercredi 1er mai 2024
Antananarivo | 10h33
 

Malagasy

« 4MIS » eto an-drenivohitra

Tsy mahafoy ny dabam-pakon’Antananarivo

mardi 1er avril 2008 |  638 visites  | Hery A.

Nalaza ny hetsiky ny kaominina Antananarivo renivohitra teo amin’ny fanangonana ireo olona mpatory an-dalam-be teto an-drenivohitra. Indroa miantoana no nanaovana ny hetsika, ka olona mahantra an-jatony no noraofina. Tsy nampilazàna moa izy ireo, sao dia miafina ka tratran’ny sarika am-pandriana ny ankamaroany. Nentina teny Anosizato ka tezaina amin’ny akany mandritra ny 21 andro. Arakaraka ny fanadihadiana no hanaparitahana azy, ka ao ireo alefa mody any amin’ny tany niaviany, ary ao kosa ireo tsy manan-vakavaka sy trano honenana. Ny an’ity farany angamba no nampiverina ireo mahantra sasany ho eny amin’ny dabam-pakon’Antananarivo indray satria tsikaritra fa nitombo noho ny teo aza ny mahantra tsy manan-kialofana.

Teo aloha ireo « 4mis » izay tsy tratry ny fandrofana satria niafina. Eo amin’ny tohatohabato ambadiky ny Rabearivelo ry zareo no mialokaloka, ampangain’ny loto amin’iny elakelan-trano iny.

  • Tsy tontosa hatramin’ny farany...

Vaky vava ny tompon’andraikitra ao amin’ny kaominina fa sarotra ny raharaha. Rehefa natao anefa ny fanadihadiana dia ny tsy fahampian’ny filàn’ireo mahantra ao amin’ny akany no tsy nahatamàna azy. Eo indrindra koa ny fahazarana mivelona amin’ny fako. Ankehitriny àry dia nitombo isa ny mahantra an-dalam-be eto an-drenivohitra. Inona indray no hetsika manaraka ? Ny fisamborana toa tsy vahaolana fa andosiran’ireo mahantra fotsiny.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 

Archives

mai 2024 :

Rien pour ce mois

avril 2024 | juin 2024