Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mercredi 1er mai 2024
Antananarivo | 03h36
 

Malagasy

67 ha

Tsenan’ny olon-dresy

mercredi 23 avril 2008 |  887 visites  | Hery A.

Toy ny toerana fanaovana lavanty eto amin’ity toerana, amoron’ny lakan-drano etsy 67 ha, amin’izao fotoana izao. Hita eto avokoa ny entana rehetra mahakasika ny tokan-trano sy lakozia.

Taona vitsy tokoa izay no nitaran’ity tsena ity, raha fivarotana lamba sy entana madinidinika teny am-piandohana. Manomboka amin’ny sotro sy vilia ny entana hita eto, miakatra amin’ny fitafiana isankarazany. Mampiavaka azy anefa ny entana rehetra izay efa nampiasaina. Vilany, vata fampangatsiahana, zava-maneno isankarazany, kiraro tonta, eny hatramin’ny kilalaon’ny ankizy aza. Ny tena mampiavaka ny eto dia ny fivarotana fahitalavitra.

  • Mivaro-pananana

Nitombo isan’andro ny olon-dresy amin’ny fiainana tonga mivarotra fananana eto. Amin’ny malagasy mantsy dia ny olona resy eo amin’ny fiainana no mivaro-pananana ka tombanana ho mivarilavo. Araka ny nambaran’ny mpivarotra iray moa dia tsy halatra loatra, araka ny fiheveran’ny olona sasany, ny entana amidy eto. Misy taratasy ara-dalàna avokoa ny fifampivarotana ka nohamafisiny fa fianakaviana handeha hamonjy tanindrazana noho ny fiainan-tsarotra no mivarotra ny entany. Manaporofo izany moa ny fisian’ny entana feno, avy amin’ny tokantrano iray. Tsy vitsy koa anefa ireo mpifindra monina noho ny asa, ka izay tsy zakany no amidiny eto.

  • Asa mahavelona

Fianakaviana am-polony no mivelona eto amin’ity tsena amoron-dàlana ity. Amin’ny ankapobeny dia azo mora ny entana eto, raha mahay miady varotra. Mitovitovy amin’ny vidiny eny amin’ny magazay mantsy no hanombanan’ireo mpivarotra ny vidiny.

Aoka koa anefa hazava fa tsy ilaozan’ny entana halatra eny amin’izy ireny. Efa nisy tokoa ny fotoana nahasaronana entana halatra teto.

Soa fa raisin’ny mpivarotra ny laharan’ny karapanondro ka tsy sarotra ny misambotra azy.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 

Archives

mai 2024 :

Rien pour ce mois

avril 2024 | juin 2024