Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 29 mars 2024
Antananarivo | 16h18
 

Malagasy

Brickaville

Trano miisa 90 no levon’ny afo

vendredi 16 novembre 2007 | Hery A.

Trano miisa 90 no may kilan’ny afo tao antampon-tanànan’ny Brickaville tamin’ny alin’ny alarobia teo, tokony ho tamin’ny 11 ora alina. Araka ny vaovao azo vonjimaika dia tokantrano iray no may voalohany ary nitatra tamin’ireo trano fonenana sy fivarotana ary tsy nijanona raha tsy may ireo trano 90 tafo. Tsy nisy aloha ny aina nafoy fa ny famonjena ny entana no nampisavoritaka ny mponina. Ampahany maro amin’ireo trano anefa no tsy nisy naharaisana na inona na inona fa may avokoa ny entana rehetra. Na dia fantatra aza ny nipoiran’ny afo, dia tsy nahazoam-baovao kosa ny antony nahatonga ny loza. Arak’izany dia an-jatony ny olona traboina amin’izao fotoana izao. Mbola tsy fantatra kosa ny totalim-bidin’ny zavatra may fa azo tombanana ho amina tapitrisa maromaro.

Tsiahivina fa vao tsy ela izay no nisian’ny hay trano miisa 100 tany Befandriana avaratra dia izao tany Brickaville izao indray.

Ny fanamarihana dia toa mifamotoana isan-taona ity trano may ity, ary saika fokontany iray hatrany no indray lasibatra.

Amin’ny ankapobeny koa dia saika vokatry ny tsy fitandremana hatrany no mahatonga ny loza, saingy mifanandrify amin’ny politika mafampana dia toa sanatria resaka politika tokoa.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS