Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 29 mars 2024
Antananarivo | 17h33
 

Tsakotsako

Toa very hasina

lundi 8 septembre 2008 | RAW

Manahirana ny miresaka momba ity fanamboarana ny fampianarana ity. Indrindra koa ny momba ity bakalorea teto Antananarivo teo ity. Tena vitsy ny teknisiana, mpampianatra sahy miteny. Ireo mba fantatra fa manana traikefa ary nihaina sy nivelona tamin’ny famoaham-boky hanampiana ny mpianatra hianatra amin’ny teny malagasy ireo taranja toa ny matematika na fizika dia tsy sahy miteny. Raha nanontaniana moa izy ireny momba ity fanamboarana ny fampianarana ity dia nilaza fa : « Tsy hitsara izahay na hoe mety io na tsy mety satria tsy fantatray akory izany fanamboarana izany fa mitovy amin’ny olon-drehetra. Tsy mba nantsoin’ny mpikarakara sy mpikotrika ity fanamboarana ny fampianarana ity izy ireny. Tsy nantsoina ary tsy nanontaniana hevitra na fijery na fomba mety hanamboarana ny fampianarana izahay. Vahiny angamba no namolavola izao fanamboarana izao ».

Ireo mpampianatra eny amin’ny ambaratonga ambony moa dia mangina fotsiny. Toa tsy misy sahy mamosaka hevitra. Toa mitsaoka ny mpanao gazety, mangataka andro. Ny sasany moa dia milaza fa tsy mana-kambara fa ireny efa voalazan’ny minisitra sy ny fanjakana ireny.

Tahaka ny mpitondra hangatahana vaovao na fanamarinana ihany koa ny fihetsiny. Efa mahazatra ny mpitady vaovao ireny fa ho an’ny mpamaky dia mahazendana.

Hoy ny olon-tsotra mpamaky gazety : « fa nahoana ianareo mpanao gazety no tsy maintsy miandry minisitra sy praiministra sy prezida sy mpanao politika, na miandry fiantsoana vao miresaka sy miteny ny olana sy vaha-olana sy ny zava-misy ? Toa afeninareo ny vaovao ; toa tsy omenareo afa-tsy ny vaovaon’ny mpitondra sy mpanohitra izahay. Ny hevitray, ny zavatra mahafinaritra anay sy manahirana anay na eny an-dalambe na any amin’ny birao izay alehanay ; ny tebitebinay sy ny hetahetanay, ny asanay, ny alavolinay, toa ataonareo ambin-javatra ».

Ny tena manahirana tokoa ny mieritreritra azy dia ity fahafahana maka ny vaovao any amin’ny misy azy. Eo anoloan’ny tranga iray dia mihazakazaka ny mpanao politika avy amin’ny an-daniny sy an-kilany handresy lahatra. Ny tekinisiana dia mihalangalana. Ary raha miteny aza dia raisin’ny maro amin’ny lafiny politika matetika.

Raha ny antontan’isa aloha dia mandoha vola ny fampiasana azy ao amin’ny sampan-draharaha misahana izany. Raha amin’ny toeran-kafa tahaka ny mikasika ny solika ohatra dia mivory lava izao tompon’andraikitra ao izao ; na aiza aleha na amin’ny orinasa tsy miankina na vahiny na teratany dia miandry aloha. Raha tsorina dia tsy te-hiresaka amin’ny mpanao gazety ny orinasa. Tsy te-hiresaka koa ny mpiasam-panjaka manana andraikitra fa matahotra. Tsy matahotra ny vahoaka mpandoha hetra fa matahotra ny lehibeny. Mety azo hinoana ihany amin’ny lafiny sasany. Ny tompona orinasa lehibe moa dia tsy sahy miteny mihitsy fa matahotra. « Fantatrao ihany », hoy izy ireny mamaly anao

Fa ny tena mahaketraka dia ireto mpampianatra ny zanabahoaka amin’ny sekolim-panjakana, hatrany amin’ny mpikarakara ireo garabola ka mandalo amin’ny mpitsara bakalorea ka hatrany amin’ny mpampianatra eny amin’ny oniversite. Toa very hasina. Toa tsy misy intsony ny maha mpanabe azy fa toa afa-baraka. Tsy manan-kevitra, tsy sahy mamosaka hevitra, tsy sahy miaro sy mijoro amin’ny heviny. Fa inona loatra no manjo ? Nefa fantatra izao fa tsy maintsy mana-kambara izy ireo na momba ity lazaina hoe « fanagasiana » ity na momba ny fanamboarana ny fandaharam-pianarana.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS