Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 20 mai 2024
Antananarivo | 13h07
 

Tribune libre

Taratasy misokatra

mardi 1er septembre 2009 |  1303 visites 

TARATASY MISOKATRA HO AN’ANDRIAMATOA ISANY,
Pr ZAFY Albert,
Atoa RATSIRAKA Didier,
Atoa RAVALOMANANA Marc,
Atoa RAJOELINA Andry

Ny fiarahamonim-pirenena dia mankasitraka ny fahavitan’ny sonia ny fifanarahana tany Maputo I, ary mametraka ahiahay ny tsy fahombiazan’ny Maputo II.

Anisan’ny nanao sonia ny fanarahana Maputo I ny fiarahamonim-pirenena, ka mitady ny fampiharana ny satan’ny tetezamita, izay nankasitrahan’ny ankamaroan’ny Herivelona eto amin’ny firenena tamin’ny fanaovan-tsonia natao ny Asabotsy 22 Aogositra 2009 tao amin’ny Carlton.

Ny tsy fahavitan’ny fizotrin’ny fifanarahana ankehitriny dia hiteraka ny fitohizan’ny olana ara-toekarena, ny fampahantrana ny vahoaka Malagasy ary mampitombo ny korontana sy savorovoro eo anivon’ny fiaraha-monina.

Mampahatsiahy izahay fa tsy mitaky ny faneken’ny ankolafin-kery rehetra ny fahitanà ny vahaolana, mba hialanà ny fikatsoan’ny fifanarahana.

Tandidonin-doza ny firenena Malagasy ankehitriny, ka manainga sy manentana anareo izahay, amin’ny fandraisana andraikitra sy fintsijovana ny tombotsoam-pirenena.

Antananarivo, faha 31 Aogositra 2009

SEFAFI
CDE
MAMIMAD
FIZATO
FISEMA
PFNOSCM
CCOC
RARE
GESCI
CPEGDVR
PME/BTP
VDSM
FNOIM
FEDMINES
KMF/CNOE
Le groupe des 4 facilitateurs SEREMA USAM
SOS Victimes de Non Droit CRAN
REV (Réseau pour l’Eradication de la Violence)

4 commentaires

Vos commentaires

  • 1er septembre 2009 à 11:54 | kilioky (#3135)

    Tsy dia maharaka politika firy aho fa ny zavatra tiako hambara ho antsika rehetra pitondra sy izay rehetra manana ambara momba ny fiainam-pirenena dia tsotra ihany :
    - Ianao izay mitonona ho tia tanindrazana io, inona moa no anjara efa nentinao hanasoavana an’ny Madagascar ? moa ny milahatra andalambe ve ? Ny mamory vahoaha etsy sy eroa ! ny maneho hevitra sy fanambarana isankarazany hanehoana fa dadany sy mahery izahay ? izany ve dia ampy hilazana fa nahavita be ho an’ny firenena isika. Raha izay fotsiny dia heveriko fa efa tsy tokony ho izao intsony ny toerana nisy antsika saingy indrisy ! Fanerena kely fotsiny no aton’ny mpanelanelana (iafenan’ny firenena vaventy= mpanjanantany) avy any ivelany dia misavoritaka sahady isika mianakavy, very sy tsy hita akory ilay hampompon’ny fitiavan-tanindrazana dradradraina isanandro. Raha izao no mitohy dia tsy hisy akory ny ho sahy maty ho an’ny firenenena, ary aoka isika rehetra samy hampisitrika ny lohantsika fa henatra tsy roa aman-tany ny mahazo antsika amin’izao. Ampahafirin’ny nahazo ny razantsika izay maty tamin’ny fiarovany ny tanindrazany moa izao mahazo antsika izao ? Niaretany ny fandrahonana, niaretany ny hanoanana,... sns. koa eto ampamaranana dia tsotra ny hafatra apetrako, aza alefa lavitra any Maputo ny saina fa raha tia Tanindrazana marina ianao dia mivonona hiady ary sahia maty fa Madagascar dia natao hoa an’ny Gasy ka tokony ho isika irery no vahaolana voalohany amin’izany.

    K.

  • 1er septembre 2009 à 14:51 | Bena (#2721)

    ry mada, Omar 1er, horace, jan eric, urfer, sy ny tariny avy,

    tratranareo izao ny tanjona, lasa r8 faha8 nareo, koa dia mifalia, mitsinjaha, mahereza mihinana miaraka amin’ireo olona narosonareo ireo,

    satria ianareo no namelona ny afo, ianareo no vy nahitana, ianareo no namono ny voay, koa dia ravaho ny vanginy, sotroy ny ranomason’ny tsy an’asa, aza misento amin’ny anohanan’ny vahoaka, mandohalia eo anatrehan’ny mpitondra anareo vaovao. atsaharo hatreo ny ranomasomboay !

    • 2 septembre 2009 à 06:21 | rivokely (#653) répond à Bena

      Namono tokoa ry zareo ka tsy mamela mihitsy. Nefa inona moa no tena novonoiny :

      - Novonoiny ireo olona an-jatony maty tamin’ny 26-27 Janvier 2009.

      - Novonoiny ireo natao sorona teny Ambohitsorohitra tamin’ny 07 Fevrier 2009. (Efa misy sahy mijoro vavolombelona fa avy aty aoriana ny tifitra nahafaty olona fa tsy avy tao amin’ny lapa izay tifi-danitra.

      - Ireo olona novonoina teo Ambohijatovo, Analakely sns ...

      - Novonoiny ny toekerena Malagasy amin’ny alalan’ny fanafarana entana avy any ivelany (menaka, dobera, ...) nefa dia tsy mifankaiza, (na lafo akory) amin’ny vidin’ireo vita teto an-toerana teo aloha. Ny karana mpanao risoriso indray izao no mahazo vahana (tsy mahagaga fa izany moa no antony namatsian-dry zareo vola ny fanonganam-panjakana teto)

      - Novonoiny ny tantsaha, amin’ny fivarotana varo-boba ny vokany (vary 500Ar, ...)
      - Novonoiny ny rafitra fifampifehazana ao amin’ny tafika (adjudant na commandant izao no mibaiko Jeneraly)

      - Novonoiny ny ny fanajana sy fiharovana ireo harena sarobidy eto amin’ny firenena. Manao izay danin’ny kibony ireo mpandroba ny hazo sarobidy.

      - Novonoiny ny fanajana ny lalàna velona rehetra fa ny basy sy ny sandry ary bodongerina ihany mahazo manjaka.

      - ...

  • 2 septembre 2009 à 06:29 | rivokely (#653)

    Azafady tompoko fa vondron’olona iray ihany no mibahana ny fahitan vaha olana amin’izao fahasahiranana izao : vondrona Rajoelina !

    Vao mahita ny hoe « SEFAFY » no isan’ny manao fanambarana moa hita fa tsy maintsy mitanila foana ny fomba fijeriny.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS