Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 28 mars 2024
Antananarivo | 18h52
 

Malagasy

Tapatapany

vendredi 16 janvier 2009

- Isan’ireo mpitarika hetsika ao Paris ny mpanan-kanto “Petsam-bava”. Voalaza fa efa tamin’ny taona 2005 izy no namorona hira amin’ny tsy fankasitrahana ny fomba fitantanana ny raharaham-pirenena eto Madagsikara, saingy tsy nisy nandefa izany ny haino aman-jery samy hafa eto an-toerana. Manohana ny hetsika atao etsy Ambohijatovo araky ny nambarany tamin’ny haino aman-jery iray ny heviny momba izany.

- Nifarana omaly ny fivoriana tsy ara-potoana nataon’ireo parlemanta roa mpanao lalàna eto amintsika. Ny fandinihana ny lalàna hifehy ny antoko politika sy ny fikitihana ny andininy faha-15 ao amin’ny lalàmpanorenana no natao tamin’io. Saika lany avokoa ireo lalàna ireo, satria vitsy no nitsipaka izany. Mihatra avy hatrany izany ireto tolo-dalàna naroson’ny mpitondra ireto.

- Mitohy ny adalan’ity lehilahy marary saina iray mpirenireny eny an-tsena. Ny fanaovana firaisana ara-nofo an-terisetra amin’ireo vehivavy manao akanjo fohy no ataony amin’izany. Na misy aza ny olona manala azy amin’io, dia tsy afaka eo izy raha tsy vita ny ataony. Ranomaso sy henatr’olona no manjo izay vehivavy sendra azy. Teny Isotry indray omaly no nitrangan’io.

- Mamely ny andiam-boalavo eto an-dRenivohitra. Vokatry ny loto etsy sy eroa no mahatonga izany. Ny orana ihany koa milatsaka, ary maro ny lobolobo amin’ny vanim-potoana toy izao. Manahy ny hisian’ny valan’aretina Pesta ny maro manoloana izany. Eny Volosarika sy Ambohimanarina no tena ahitana itony andiam-boalavo be itony.

- Hanao valan-dreasaka amin’ny mpanao gazety anio hariva ingahy Roland Ratsiraka, ben’ny tanànan’i Toamasina teo aloha. Raha nahatsapa ny maro, dia saika hita nanotrona an’i Andry Rajoelina hatrany izy.

- Hanao fizarana fanomezana ho an’ireo zoky olona ny minisiteran’ny Fiahiana ny fiainam-pianakaviana sy ny FIZOMA anio hariva amin’ny 2 ora sy sasany. Etsy amin’ny kianja mitafon’i Besarety no hanaovana izany.

Nangonin’i Naivo kely

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS