Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 27 avril 2024
Antananarivo | 00h27
 

Malagasy

Tapatapany

mardi 13 janvier 2009 |  473 visites 

- Nanomboka omaly ny fivoriana tsy ara-potoana nataon’ny loholona sy depiote. Handinika ny fantsiana ny lalàm-panorenana sy ny lalàna hifehy ny antoko politika eto Madagasikara izy ireo. Milaza hanara-maso tsara ireto lalàna ireto depiote tsy miankina raha naneho ny heviny tamin’ny mpanao gazety.

- Tapitra anio ny fe-potoana nomen’ny ben’ny tanàna, Andry Rajoelina, ny mpitondra fanjakana hamaliany ny fitakiana nataon’izy ireo. Dila ny misasaka alina, dia handray ny fepetra ve izy ireo ? Tsy fantatra mazava aloha hatreto io fepetra napetraky izy ireo io, fa ny azo antoka, dia hiroso amin’ny fametrahana ilay “Kianjan’ny demokrasia” izy ireo.

- Tsy mahatsiaro tena kosa ity ramatoa be iray voadonan’ny fiara 4x4 omaly tao Toamasina. Manoloana ny tsenaben’ny tantsaha any Toamasina no nitrangan’ity loza ity. Nandeha mafy ilay fiara, ka nifatratra teny amin’ity ramatoa be efa voky taona ity. Amin’ny ora hanoratanay izao, dia mbola tsy mahatsiaro tena ilay tra-doza. Efa nandray ny andraikiny ny mpitandro ny filaminanana.

Nangonon’i NaivoKely

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS