Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 27 avril 2024
Antananarivo | 21h50
 

Malagasy

Vaky fasana indray

Taolam-paty miisa 75 no saron’ny zandary

jeudi 17 janvier 2008 |  491 visites  | Nivo T. A.

Mahazo vahana ny vaky fasana any amin’ny kominina ambanivohitra Ampanefana, ao anatin’ny distrikan’i Vohémar. Araka ny vaovao azo avy an-toerana, dia saiky efa lasibatry ny olon-dratsy avokoa ny ankamaroan’ny fasana rehetra any an-toerana. Tany aloha dia ny zavatra ampiarahana amin’ny maty no misy mandroba : lambamena, firavaka, voninkazo, fitafiana.Amin’izao fotoana izao kosa dia ny taolam-balo mihitsy no alain’ireo mpamaky fasana.

Tamin’ny herinandro lasa teo dia taolam-paty miisa 75 izay milanja eo amin’ny 35 kilao eo ho eo no nisy nahita tany anaty fitoeram-pako, tany anaty kirihitra, tany amin’ny toerana antsoina hoe Mahafinaritra no nanafenana izany taolam-paty izany. Olona nanary fako no nampandre ny fokonolona sy ny zandary ka nijery ifotony ny zava-nisy. Mandeha moa amin’izao fotoana izao ny fanadihadiana ataon’ny zandary mikasika izany halatra taolam-paty izany. Voalaza fa tamin’ny fasana maromaro no nakàn’ny sasany ireo taolam-balo ireo. Misy moa ireo olona vaky fasana tsy mametraka fitarainana fa mijanona fotsiny amin’izao. Nony nalaza fa nisy taolam-paty tratra tany an-toerana vao nikoropaka nijery ny fasam-piavakaviany avy ny olona ary nanamarina ny razana raha nisy banga. Hatramin’izao aloha dia mbola tsy fantatra izay nahavanon-doza nangalatra izany taolam-paty marobe izany. Taolan-dava avokoa moa ireo hita tany anaty lava-pako ireo.

Mitohy ny famotorana ataon’ny zandary.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS