Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 26 avril 2024
Antananarivo | 20h02
 

Malagasy

Hery Rafalimanana

Tanora tsy very mandeha

vendredi 21 décembre 2007 |  827 visites  | Naivo kely

Ny fofon’ny sezan’ny Tsimbazaza sisa no mety hanentohento ao amin’ny oron’ny PDS, fa ny fony sy ny fitiavany kosa dia mitoetra ao amin’ny asa fampandrosoana an’i Antananarivo sy Madagasikara manontolo. Tanora heverina fa nametraka ny asa-tanany ho an’ny renivohitra izy izay tsy azo lavina fa nahafinaritra ny maro, kanefa ny ora faran’ny latsa-bato no nanilika azy, izay faharesena ho azy sy ny antoko nanolotra ity lehilahy ity, kanefa tsy natao ahavery fanahy fa « ny manetsa be mbola ho avy », hoy ny fomba fiteny. Raha ireo faripahaizana ananany dia hita fa olona ilain’ny firenena ity PDS teo aloha ity, izay azo adika fa tanora tsy very mandeha. Tsy mijanona amin’ny toerana iray tokoa ny fitiavana tanindrazana, ary ny rahona omaly tsy natao hanamaloka ny anio, fa hitrakana hanazava ny ampitso. Maro ny asa ilana tanora tahaka azy, ary ny fanarenana ny firenena tsy vitan’olona tokana. Atambaro ny hery, mifanomeza tànana fa mbola lavitr’ezaka ny fanarenana ny firenena, satria izay tsy vita tao amin’ny kaominina ho tanterahina any ankafa. Koa ho diso ve ny mpankasitraka ity lehilahy ity raha hamerina indray ilay teny hoe « tohizo ny asa Rafaly o ! »

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS