Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mercredi 24 avril 2024
Antananarivo | 13h58
 

Malagasy

Resaka Andry Rajoelina

Sangodim-panina

samedi 20 décembre 2008 | RAW

« Tsy misy izany didy fampisamborana mikasika ny Ben’ny tanànan’Antananarivo izany » hoy ny minisitry ny fifandraisana omaly antoandro. Novoizina nandritra ny tapak’andro maraina omaly ny resaka fikasan’ny fitondrampanjakana hisambotra ny Ben’ny tanànan’Antananarivo. Araka ny resaka tamin’ny fampahalalam-baovao dia efa hatry ny alakamisy alina no nitrangan’izany zavatra izany. Ny antony niely moa dia ny fanasana nataon’i Andry Rajoelina tany Tsiadana-Ampasanimalo ary indrindra ny tao amin’ny La Rotonde, izay nihaonany tamin’ny karazan’olona maro solontenan’ny fiarahamonim-pirenena sy mpanao politika.

Omaly antoandro anefa dia nanambara ny minisitry ny Fifandraisana, fa tsy nisy izany didy fampisamborana izany fa tsaho no betsaka. Kanefa moa ny Ben’ny tanàna Andry Rajoelina dia nanao fanambarana omaly maraina ary nampahafantatra fa iharan’ny fanenjehana maro izy efa hatry ny ela, noho izany dia mangataka fanazavana avy amin’ny fitondrampanjakana ary mametraka fanontaniana amin’ny filohampirenena izy : « Inona loatra re ny zavatra nataoko no misy ohatra ny « haine » na fankahalana ny tenako sy ny orinasako ary izay zavatra manodidina ahy. Ny fitiavana no notoriako hatrizay hoy izy, fitiavana an’Antananarivo, fitiavana tanindrazana ary fitiavana handray andraikitra ; fitiavana izay tsy mijery hafa tsy ny hahasoa ny besinimaro ».

Raha nanao tatitry ny filankevitry ny minisitra anefa ny filohampirenena omaly antoandro dia tsy niresaka mihitsy mikasika ity fikasana hisambotra an’i Andry Rajoelina, Ben’ny tanànan’Antananarivo ity. Toa zavatra hafa mihitsy no noresahany sy nampitainy tamin’ny mpampahalala vaovao. Toa te hilaza amin’ny vahoaka ny filohampirenena hoe tsy manana zavatra manahirana hafa tsy ny raharaham-bahoaka sy izay hanala fahasahiranana ny vahoaka any ambanivohitra rehetra any izy fa tsy mijery izay raharahan’olon-tokana any. Toa te hampahalala an’ny rehetra izy fa mijery ny mpandraharaha rehetra izy, indrindra ny mpandraharaha tanora. Toa tena lavitra ny sainy mihitsy i Andry Rajoelina, tompona orinasa sady Ben’ny tanànan’ny renivohitr’i Madagasikara sy ny olana mianjady aminy. Tena sangondim-panina politika tokoa ity Izao moa dia fantatra fa mitsangana indray ity atao hoe « cellule de crise ». Toa feon-kira efa ntaolo izany.
Raw

Fikasana fisamborana

« Tsy voalohany sady tsy ho farany ho samborina aho », hoy i Andry Rajoelina.
« …Betsaka ireo olana nianjady nandritra ny herintaona latsaka izao… izay azo lazaina fa avy any amin’ny fitondrampanjakana avokoa. Ankehitriny moa dia mikasika indrindra ny fanakatonana ny televiziona VIVA ; izay azo lazaina hoe fanapahankevitra jadona nataon’ny fitondrampanjakana farany mikasika ny orinasa na ny zavatra manodidina ahy… ». Araka ny fahitan’i Andry Rajoelina azy dia voalaza fa « nanakorontana ny fandriampahalemana teto amin’ny tanànan’Antananarivo ny fandefasana oronan-tsary iray. Ny fanontaniako hoy izy dia : iza no manakorontana ny sain’ny vahoaka, ny sain’ny mponina amin’izao fanakatonana izao. Aiza ny fahalalahana hiteny na liberté d’expression izay notakiako ».

Asa moa izay tena marina fa nanambara ny Ben’ny tanàna Andry Rajoelina fa eo anatrehan’ny fikasana hisambotra azy dia tsy voalohany sady tsy ho farany amin’ireo olona samborin’ity fitondrana ity ny tenany. « Tsy nanao ratsy ny tenako hoy izy, tsy nangalatra, tsy namono olona fa nitaky ny zo sy zavatra takian’ny be sy ny maro ».

Raha tsorina dia niantso ny vahoakan’Antananarivo sy ireo tia tanindrazana, tia fahalalahana ny Ben’ny tanàna, ho vavolombelon’ny asa sy fitiavana nasehony an’ity tanàna ity sy ny mponina ao aminy izy amin’izao jaly mahazo azy izao.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS