Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 25 avril 2024
Antananarivo | 10h18
 

Malagasy

Antsirabe

Sakafo voapoizina • olona 25 naiditra hopitaly

jeudi 15 mai 2008 | Princia R.

Olona 25 no nahazo fitsaboana teny anivon’ny hopitaly-be Antsirabe taorian’ny fihinanana sakafo nisy poizina nandritra n’ny lanonam-pianakaviana natao ny sabotsy teo tao Androvakely Antsirabe. Rehefa vita ny fety dia nandoa sy nivalana ary narary an-doha mafy ny ankamaroan’ny olona nanatrika ny fety ny andron’ny alahady. Ny talata anefa vao nentina teny amin’ny hopitaly ireo tsy salama ary teo vao fantatra fa noho ny fihinana sakafo voapoizina no antony hoy ny mpitsabo. Tamin’io andron’ny talata io dia feno 25 ireo olona notsaboina voakasikizany ary ny efatra dia mbola eny amin’ny hopitaly, tsara ny manamarika fa ny 6 tamin’ireo 25 dia ankizy latsaky ny 15 taona. Araka ny nambaran’ny mpitsabo nanao ny fizahana dia vokatry ny fifangaroan’ny atody sy menaka no anton’ny fahavoazana.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS