Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mercredi 1er mai 2024
Antananarivo | 03h36
 

Malagasy

Orinasa afakaba

Sady mamitrana no mandrava fihavanana

mardi 15 avril 2008 |  431 visites  | Hery A.

Tao ho ao dia maro ny orinasa afakaba nampiato ny mpiasa ao aminy. Saika tera-tany vahiny moa no mitantana azy ireny ka sedrain’ny tsy fandrosoan’ny tsena tampoka ka voatery nandroaka mpiasa.

Amin’ny ankapobeny hoy ireo mpiasa amin’ny orinasa afakaba, dia efa ampoizina ihany ny mety hisian’ny fampiatoana. Manaporofo izany ny tsy fikarakarana ny antontan-taratasy maha mpiasa raikitra an’ireo ankizy naato. Raha efa iaraha-mahalala ny fiainan’ny mpiasa ao anatiny ao, izay saika ahazoana fitarainana satria tsy ara-dalàna, dia andeha hojerena kosa ny fiainan’ireo mpiasa, rehefa ivelan’ny orinasa.

Ho an’ireto mpiasa nampiatoana tamin’ny orinasa iray eto an-drenivohitra, dia ny andro farany no ho tantaraina. Niainga vao mangiran-dratsy avy any an-trano toy ny mahazatra izy ireto, tamin’ny herinandro lasa teo. Tsy nanam-po na inona na inona fa avy hatrany dia tsy afa-niditra amin’ny orinasa. Tsy afaka nanohitra, tsy afa-niteny fa samy gina fotsiny. Hany hery dia nanao veloma an’ireo mpivarotra sakafo masaka. Samy very asa eto na ny mpivarotra aza. Vita teo ilay fihavanana sy fifankatiavana.

Ny tiana hasongadina dia niteraka fihavanana teo amin’ny samy malagasy ny fiorenan’ny orinasa, saingy nandrava fihavanana tamin’ny fotoana tsy nampoizina ihany koa.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 

Archives

mai 2024 :

Rien pour ce mois

avril 2024 | juin 2024