Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 26 avril 2024
Antananarivo | 09h01
 

Malagasy

Raharaha Imerintsiatosika

Raikitra ny tondro molotra

jeudi 2 octobre 2008 | Njaka
Izy mivady niaram-boina.

Niatrika ny fampanoavana omaly tontolo ny raharaha Imerintsiatosika, notondroina ho mpangala-jaza niafara tamin’ny fandrobana sy fandorana fanana’olona. Fitoriana roa samihafa, no niakatra fampanaovana tao amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany tao Arivonimamo omaly sy nitohy hatramin’ny alina. Voalohany, ny fitorian’izy mivady rava fananana sy voaroba. Hatramin’ny sivy alina mbola mitohy ihany fihainoana. Ny borigadin’ny zandarin’Imerintsiatosika no nisahana izany. Ny faharoa, fitorian’ireo ray amandrenin’ireo zaza nolazaina fa “nangalarina”. Ny polisy misahana ny zaza tsy ampy taona indray no nisahana azy. Natambatra avokoa izany fitoriana roa samihafa izany, tamin’ny fandinihana azy, hoy ny tonian’ny fampanoavana ao Arivonimamo, Randriamalazafeno Jean de la Croix.

Izao sisa no niafaran’ny trano’izy mivady.

Nahatratra 31 ireo voakasiky ny raharaha, tsy ao anatin’izany ireo vavolombelona am-polony. Raha tsiahivina, dia notafihin’ny mponina tao Imerintsiatosika ny tranon’ilay mpanao fitaterana antsoina hoe “zaza mila vola”. Nolazaina fa nangala-jaza satria nitazona zaza. May ny trano sy ny fiara kamiao roa, mazda iray, ary opel iray. Vola 75 tapitrisa ariary no very tao antrano. Vola saika hividianana rofia any Maevatanàna. Nisy kamiaon’olon-kafa koa may tao. Potika ny fanananay ka any amin’ny fianakaviana izahay no mipetraka, hoy izy ireo.

Zaza hangalarina tokoa ve ?

Zaza tratra nisaoty tamboho, saika hangalatra piesy na fiara. Efa fanindiminy izy ireo no tratranay, hoy, Rabezanahary Modeste, mpandraharaha, niharam-boina. Iray no tratra fa nanondro ny namany dimy hafa izy. Tonga tao ny ray amandrenin’ireo ankizy ary nanaiky ny hanao fampiraharahana. Afaka nivoaka sy niditra ny vavahady, avokoa ireo zaza sy ny ray aman-dreniny, hoy ny tompo-trano. Nivadika anefa ny rasa rehefa hariva ny andro satria nitaona vahoaka izy ireo ka nilaza fa mpangala-jaza izahay. Tsy mbola nisy anefa fitoriana momba momba azy ireo ho mpangala-jaza hatramin’izay, hoy ny mpisolovavany. Zaza 9 taona no kely indrindra, 12 taona no zokiny. Hafa kosa ny fanazavan’ny ray aman-drenin’ireo zaza. Valo ny zaza notazonina, hoy izy ireo.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS