Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 1er août 2025
Antananarivo | 05h02
 

Fahatsiarovana

RAZANAKOTO Robine

samedi 30 juin 2007 |  1308 visites 

RAZANAKOTO Robine
30/06/2005 - 30/06/2007

Taratasy ho an’i Mama

Ry Mama malala, roa taona lasa izay,
Tsaroako ianao namerimberina taminay
Zanako malalako tsy foiko indrindra eto an-tany
Asa efa nandindona anao ve ny fandehanana any ?
Sa fanahiana fotsiny ihany ?
Nivavaka isika, niray hina, niara-niady
Niara-nanapa-kevitra isika mianakavy
Nefa indray hariva izay
Hoy ianao tamiko, tadidiko izay andro izay,
Avelao aho ho faty fa tsy tanty
Nankahery anao no natao dia nifandao
Tapitra teo ny nahitako anao
Lasa ianao, namela anay
Inona no atao, gina izahay
Antenaiko anefa fa maheno ianao
Veloma Mama malalako
Tsy maty ato amponay ny fitiavanao
Mandr ampiadanana, Mama malalako
Ny Tompo anie hampiantrano anao
Ary ho Mama Anjely ho anay ianao
Ry Mama be fitiavana, tianay ianao

Ny zana-tsika
Io ny vetso-pahatsiarovana
Avy amin’ny zana-tsika
Toa fo torovan-drovana
No nandraisana ny fisarahan-tsika

Dada

Hoy :

 Ny vadiny :
RAZANAKOTO Samuel

 Ny zanany :
ANDRIANAVONY Manitra sy RAZANAKOTO Mbola
RAZANAKOTO Rado sy RATSIANDAVANA Lalaina
RAZANAKOTO Zo

 Ny reniny :
RAVELOARISOA

 Ny irai-tampo aminy :
ANDRIAMISAINA Guy mianadahy avy sy ny vady aman-janany

 Ny irai-tampo amin’ny vadiny :
RANDRIAMASY mianadahy sy ny zanak’aman-jafiny

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}